• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fankalazana : Taona iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa (AIC) ny taona 2025

02/07/2025 11:15 © Moov

Voasafidy ho Taona Iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa (AIC) ny taona 2025 araka ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana nandritra ny fivoriam-be ny 19 Jona 2024. Isan’ny hankalaza izany isika eto Madagasikara ny 4 jona izao.

Fampirantiana ireo kaoperativa samihafa

Ho antsika eto Madagasikara, hoy ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) dia ho ankalazaina ny 04 Jolay 2025 etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny AIC. Hahitana tranoheva miisa 50 handraisan’ny kaoperativa samihafa anjara izany. Ahitana sehatra mifangaro toy ny fambolena, fiompiana, jono, asa tanana, fanodinana, varotra ary tolotr’asa. Ho hita ao avokoa araka izany ny kaoperativa avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Boeny, Bongolava, Matsiatra Ambony, Itasy, Vakinankaratra, Analamanga ary ireo mpiara-miombon’antoka mitantsoroka ny kaoperativa.
Etsy andaniny dia hisy ihany koa ny famelabelarana manodidina ny tontolon’ny kaoperativa sy ny fandraharahana mandritra ny androm-pankalazana. Tanjona amin’izany rehetra izany ny hanasongadinana ny anjara biriky goavana entin’ny kaoperativa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana maharitra manerana an’izao tontolo izao.

Fampandrosoana

Mandray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana ny faritra sy i Madagasikara ny kaoperativa amin’izao fotoana izao. Izany ihany koa no antony nampandanian’ny minisitera ny Lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Isan’ny tantsoroka nataon’ny MIC ho an’ny kaoperativa ny fanatsarana natao tamin’ ity lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa ity. « Misongadina anatin’ny lalàna nohavaozina ny fametrahana ny orinasa kaoperativa ho matihanina amin’ny fandraharahana sy ny fitantanana hahatonga azy ho mahaleotena tanteraka sy hivoatra amin’ny lafiny rehetra ary hitondra fampandrosoana eto Madagasikara sy eto Afrika », hoy ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI), Nainanirina Razafindrazaka.
Hahatongavana amin’izany tanjona izany ihany koa dia miara-miasa amin’ny Tetikasa PA ZLECAF izay manohana ny fanapariahana ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikana sy ny PAISF na Tetikasa manohana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola, izay samy vatsian’ny BAD vola, ny MIC amin’ity hetsika ity.

Lire la suite

Articles Similaires