• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanondranana harem-pirenena : Olona roa no tratra niaraka tamin’ny sifaka 4, saika ho any Dubaï

30/06/2025 18:21 © Moov.Mg

Lehilahy iray sy vehivavy iray, saika hiondrana ho any Dubaï, no tratra nitondra varika miisa 4 an-tsokosoko, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato izy ireo no tra-tehaka, omaly 29 jona 2025.

Sifaka avy any avaratra andrefan’i Madagasikara

Varika, amin’ilay karazany atao hoe : sifaka, na « Propithecus coquereli », raha ny anarany siantifika, ireto saika haondrana an-tsokosoko ireto. Araka ny fanazavan-dRatefason Tojotsara, tale miandraikitra ireo faritra arovana eo anivon’ny ministera’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia tany avaratra andrefan’i Madagasikara no heverina ho nakana ireto sifaka ireto, izany hoe : mety ho tany amin’ny Faritra Sofia, Boeny na Betsiboka, satria any no ahitana ny toeram-ponenany voajanahary. Heverina aza fa mety ho nangalarina tany anatin’ny valan-javaboahary na toerana arovana izy ireto, toy ny ao valan-javaboahary nasiônalin’Ankarafantsika, ny alan’Ampijoroa, ny « forêt communautaire » any Marovoay na Ambato Boeny, ny tany amin’ny « vallée de Mahajamba ».

Harem-pirenena arovan’ny lalàna

Araka ny fanazavan’ny kaomisera lefitra eo anivon’ny Pôlisy misahana ny sisin-tany eny Ivato, Rafaralahy Vialevich, dia tera-tany kaomôrianina mizaka ny zom-pirenena malagasy ilay lehilahy, izay tokony ho 50 taona ary tera-tany malagasy ilay vehivavy, 22 taona. Hiasa any Dubaï no anton-dian’izy ireo, izay saika hiondrana tamin’ny sidin’ny kaompana Emirates, mitondra ny laharana EK 708. Nataon’izy ireo tao anaty kitranotrano vita amin’ny hazo, nohodidinina paty fihinana, ireo sifaka, ary nampiarahina tamin’ny tavoahangin-drano vonton-katsiaka, mba hiarovana azy tsy ho faty. Nampidirina tao anaty valizy izany rehetra izany.
Nilaza moa Rtoa Ratefason Tojotsara, fa fandikan-dalàna sokajiana ho heloka bevava no nataon’ireto olona roa ireto, raha toa ka tao anaty faritra arovana tokoa no nakana ireo biby, araka ny voasoratra ao anatin’ny « COde des Aires Protégées » (COAP). Eo koa ny lalàna CITES, izay mandrara ny fanondranana ireo karazana varika rehetra, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Miisa 112 karazana izy ireo, raha tsiahivina. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia hatoka-monina amina ivon-toerana iray aloha ireto sifaka ireto, harahi-maso ara-pahasalamana, mialoha ny hamerenana azy any amin’ny toeram-ponenany voajanahary.

Lire la suite

Articles Similaires