Antananarivo : Nampanarahana fenitra iraisam-pirenena ny ivon-toerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny andro
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany 30 Jona 2025 ny ivon-toerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby. Naharitra 5 volana ny asa izay novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary notanterahina tamin’ny alalan’ny tetikasa PRODUIR. Nampanarahana ny fenitra takian’ny sehatra iraisam-pirenena izany.
Fitaovana stratejika hampahomby ny asa
Talohan’ity fanavaozana ity raha ny fanazavana dia tena ratsy ny endriky ny toerana izay tsy nisy fanavaozana tao anatin’ny 40 taona. Trano efa simba, fitaovana tsy ampy, ary tsy afaka nampifandraisina tamin’ny tambazotra iraisam-pirenen’ny Organisation météorologique mondiale (OMM). Niteraka fikorontanan’ny angona sy ny vaovao ary ny famoahana ireo vinavina izany.
Vokatr’ity asa ity dia lasa ivon’ny rafitra fanairana mialoha eto Madagasikara ity foibe nohavaozina ity. Manana andraikitra lehibe amin’ny fitantanana loza, ny fandrafetana politika hiarovana ny tanàn-dehibe amin’ny mety ho loza ary ny fiarovana ireo mponina marefo izy. Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Toetr’andro, “tsy trano fotsiny no nosokafana fa fefy miaro amin’ny tsy ampoizina ». Ankehitriny dia azo lazaina fa ampy ny fitaovana hahafahana manohy ny asa mba hamokarana atontam-baovao momba ny toetrandro haingana sy azo antoka kokoa. Zava-dehibe tokoa ny famantarana ny toetry ny andro satria ny asa aman-draharaha rehetra dia miankina amin’izany avokoa toy ny fambolena, ny fahasalamana, ny fitaterana sy ny sisa.
Nohavaozina tamin’izany ny tranoben'ny PREVI, ny trano DEM ary ny trano natokana ho an’ny rafitra teknikan'ny foibe.
Fiarovana ny olona mialoha
Isan’ny rafitra hahafahana miaro ny olona mialoha ny fisian’ny ivon-toerana mpamantatra ny toetr’andro. Tanjon’ny tetikasa PRODUIR rahateo ny hiaro ny olona amin’ny loza voajanahary toy ny tondra-drano, indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina. « Nitondra vokatsoa betsaka sy azo tsapain-tanana ny tetikasa PRODUIR, toy ity fotodrafitra ity », hoy Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, teny an-toerana. Etsy andaniny dia nanamafy kosa Andriamatoa Atou Seck, mpisolo tena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, fa « zava-dehibe ny sampana mpamantatra ny toetr’andro hiarovana ny olona, ny fananana sy ny fotodrafitasa ». Nanamarika ity farany fa hiara-dalana amin’ny Malagasy hatrany ny Banky Iraisam-pirenena hiatrehana ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny voina samihafa.