• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Radio S
Image
Vaovao

BEPC 2025 : 4 andro iatrehana taranja miisa 7

30/06/2025 04:52 © Moov

Manomboka androany alatsinainy 30 jona ny fanadinam-panjakana BEPC 2025, ary tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 3 jolay.

Roa herinandro taorian'ny fanadinana CEPE 2025, miatrika ny anjarany indray ireo mpiadina mikasa haka ny mari-pahaizana BEPC amin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Ireo mpianatra manaraka ny rafi-pampianarana malagasy manerana ny Nosy moa no voakasik'izany. 299 312 ny tontalin'ireo mpiadina manerana an'i Madagasikara, izay ahitana teratany vahiny miisa 19. Misy mpiadina manana fahasembanana miisa 46 amin'ity BEPC ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ity.

Option A/B

Misy sokajy roa ny fanadinana, ka misafidy amin'izany ny mpiadina. Ny mpanala fanadinana "Option A" dia manao ireo taranja rehetra miisa 7, ka maharitra 4 andro ny fanadinana. Ireo nisafidy ny "Option B" kosa, taranja 6 ihany no atao. Tapitra ny takarivan'ny alarobia 2 jolay izany ny fanadinana, satria tsy anadinana ny taranja "Anglais".
Amin'ny ankapobeny, ny "Option A" no be mpisafidy sady tena amporisihan'ireo mpampianatra. Anisan'ny tenim-pirenena ilaina amin'ny fianarana tokoa mantsy ny teny Anglisy. Tsy maintsy atao rahateo io taranja io amin'ny kilasy faharoa, na eny amin'ny liseam-panjakana na sekoly tsy miankina.
Hanombohana ny fanadinana, androany alatsinainy 30 jona ity moa ny taranja Malagasy. Ny taranja SVT kosa no anadinana ny tapak'andro hariva. Rahampitso talata 1 jolay kosa, ny taranja Mathématiques sy Français no hatrehin'ireo mpiadina. Ny alarobia 2 jolay kosa, hiatrika ny Histo-Géo sy ny Physique-Chimie ireo mpianatra. Ny alakamisy 3 jolay moa dia natokana hiatrehana ny Anglais ho an'ireo nisafidy ny "Option A". Marihana fa misy ihany koa ireo misafidy ny taranja Allemand na Espagnol.

Fikarakarana ireo mpianatra

Azo antoka fa samy nanomana akanjo mafana sy kojakoka isan-karazany iarovana ny mpiadina amin'ny hatsiaka ny ray aman-dreny rehetra. Koa satria maharitra ny fanadinana fa tsy toy ny CEPE intsony, mila fandanjalanjana ny sakafo hanina sy ny torimaso. Na dia tena ilaina aza ny famerenana, tsara raha fenoina adiny 8 isan'alina ny torimason'ny mpanala fanadinana. Sorohina ny fahatarana, mba hampilamina tsara ilay mpanala fanadinana.
Tsara ny manamarika fa ny DEXAMC eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena moa no misahana ny famolavolana sy ny fisafidianana ary fanaparitahana ny laza adina eny anivon'ireo DREN sy CISCO manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires