• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Fokontany Tomboarivo Ofisialy
Image
Vaovao

Didim-poitra : Te hitazona ny fomba kanefa miahiahy ny amin’ny fahasalamana ny Ray aman-dReny

30/06/2025 11:50 © Moov

Vao manomboka mangatsiaka ny andro dia ao an-tsaina avy hatrany ny famorana na ny didim-poitra ho an’ireo ankizy lahy kely. Raha ny didim-poitra faobe nokarakain’ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamana Analamanga dia zaza miisa 2 149 no vita didim-poitra faobe nandritra ny volana Mai sy Jona 2025. Azo tanterahina amin’ny fomba samihafa izy io, ao ireo manaraka ny fomban-drazana ary ao ireo manatona mpitsabo.

Fomban-drazana sy fivoarana

Eto Madagasikara dia maro ireo faritra no manao ny famorana ho fotoana lehibe ho an’ny ankizy lahy. Maro ny fombafomba atao amin’izany toy ny fangalana loha-pary sy ranomahery ary ny fiantsoana rain-jaza. Na dia eo aza ireo harena ara-kolontsaina fonosin’ity famorana ity eto Madagasikara dia hatahorana ny tsy hiraharahian’ny olona azy aoriana kely ao. Betsaka ny fanamby ara-pahasalamana mila jerena raha hanaraka ny fomba. Any amin'ny toerana ambanivohitra ohatra dia lavitra ny mpitsabo kanefa mety hisy ny fahasarotana ara-pitsaboana, ny fivontosana, ny fahaverezan-drà izay mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy aza raha tsy voaray an-tanana haingana. Etsy andaniny ihany koa ny fahadiovana sy ny fanaraha-maso aorian’ny didim-poitra.
Manoloana izany dia manao hetsika fanentanana momba ny famorana azo antoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miara-miasa amin’ny ONG maromaro. Manentana ny fianakaviana hanatona mpitsabo. Izany no anton’ny didim-poitra faobe izay maimaim-poana manerana ny Nosy.
Tafiditra eo anelanelan’ny hoe fanajana ny fomban-drazana sy ny fivoarana ny Ray aman-dReny amin’izao fotoana izao. Te hanaja ny fomba kanefa miahiahy ihany koa ny amin’ny mety ho loza. Ho an’ireo mbola hanao io fomba io aoriana kely ao dia ho sarotra ny fanapahan-kevitra satria te hitandro ny fomban-drazana sy hampita izany kanefa te hiantoka ny fahasalaman'ny ankizy ihany koa.

Fampihenana ny fanaintainana

Isan’ny fomba hampitana ny zazalahy kely amin’ny fahazazana mankany amin’ny maha-ankizy ny fanaovana didim-poitra. Na ara-pomba na ara-pahasalamana dia tokony hatao hatrany izy io. Manoloana ny fandrosoana dia efa maro ireo tsy manaraka ireo fomba ireo intsony ka misafidy ny hanatona hopitaly. « Tsy mety amin’ny fisainanay ny mahita ilay zaza mangirifiry mandritra ny fotoana ela ka aleonay manatona mpitsabo. Any sady voaara-maso no vetivety dia mikatona ny fery », hoy ity renim-pianakaviana iray.
Etsy ankilany anefa dia ireo fombafomba samihafa mihitsy no efa tsy dia misy mahay ka mampitodika ny olona amin’ny fanatonana mpitsabo. « Aleonay manatona mpitsabo satria efa tsy dia hainay ilay fomba fomba tokony hatao ka sao vao mainka manaonao foana ; sady vetivety dia sitrana », hoy kosa Natacha Rabearimanana, renim-pianakaviana. Samy manana ny safidiny kosa anefa ny Ray aman-dReny tsirairay amin’ity fomba ity.

Lire la suite

Articles Similaires