Ivato : Vovo-bolamena nafenina tanaty "Rice Cooker"
Vovo-bolamena milanja 3,855 kg no tra-tehaka tao amin'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato, ny 3 may lasa teo.
Tsy mitsahatra mitady hevitra ireo mpamoaka zava-tsarobidy an-tsokosoko. Etsy ankilany nefa, efa ampy traikefa sy fitaovana ny Fadintseranana Malagasy amin'ny fisavana ny mpandeha tsirairay.
Fepetra hentitra sy fitaovana arifomba
Tsy maintsy manaraka ireo dingana rehetra amin'ny fisavana ny mpandeha tsirairay, na teratany Malagasy na vahiny, na kely na lehibe. Samy mandalo "Scanner" avokoa na ny olona na ny entana.
Tamin'ity indray mitoraka ity, teratany Sri-lankais nikasa hihazo an'i Dubai no nikasa hanondrana volamena an-tsokosoko. Nafeniny tanaty Rice Cooker ny vovo-bolamena anaty fonosana vitsivitsy. Rehefa nandalo "scanner" io fitaovana io dia hita fa misy singa mampiahiahy manakaiky ny "résistance". Rehefa novohaina ilay fitaovana dia tratra soa aman-tsara ny entana nafenina.
Miatrika fanadihadihana ity lehilahy ity, ary halefa any amin'ny Fitsarana. Ny volamena tratra kosa dia nogiazana ary nalefa eny amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara.
