Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety : Nihemotra ny laharan'i Madagasikara, faha-113 amin'ny 180
Laharana faha-113 i Madagasikara amin'ity taona 2025 ity, raha laharana faha-100 tamin'ny taona 2024. Very toerana 13 be izao isika, raha ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety no resaka.
Ny "Reporters Sans Frontières" (RSF) no mpanao fanadihadihana sy mpitsirika ny zava-misy iainan'ireo mpanao gazety manerana ny firenena 180. Ny vokatr'ireo asa ireo no hahazoana ny filaharana amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety na "Classement mondial de la liberté de la presse".
Fangejana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara
"Mitazona ny fomba fanaovan-gazety tranainy i Madagasikara. Tsikaritra nefa fa misy fironana, miankina amin'ny politika sady anjakan'ny kolikoly ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara", araka ny nambaran'ny Reporters Sans Frontières (RSF).
Amin'ny ankapobeny, saika olona misehatra amin'ny politika avokoa no tompon'ny ankamaroan'ireo haino aman-jery eto Madagasikara. Miankina amin'ny fironan'ny lehiben'ilay orinasa fanaovan-gazety izany no hikirakiran'ireo mpanao gazety ny vaovao. Efa saika mahay manavaka ny gazety na fahitalavitra na radio "mpomba" sy "mpanohitra" ny fitondrana ireo mpanara-baovao. Vitsy an'isa ireo tsy manana fironana.
Etsy andaniny, efa voafehin'ny fitsipika anatiny ireo mpanao gazety ka manaja fatratra izay "baiko" rehetra mba hiarovana ny toerany. Etsy ankilany, misy ihany ireo mpanao gazety sahy mamoaka vaovao manohitohina tombontsoan'olona ambony na orinasa matanjaka saingy iharan'ny fanenjehana manokana, na dia tsy tonga amin'ny famonjana aza.
Fahasarotan'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety
Miantoka ny fampandrosoana sy filaminan'ny firenena iray ny asa fanaovan-gazety. Toro iray monja dia mety hanakorontana olona aman'hetsiny ao anatin'ny fotoana fohy. Izany indrindra no tsy maintsy nametrahana fitsipika hentitra. Na izany aza nefa, maro ireo teboka mila dinihina manokana, mba hanarenana izao "lesoka" amin'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara izao.
Araka ny fanambaran'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, tsy nisy mpanao gazety nenjehina noho ny fanatanterahana ny asany. Nanamafy rahateo ny RSF fa mihasarotra mihitsy ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety manerantany.