Lozam-pifamoivozana : Tsy miaraka ny familiana sy ny alikaola
"Mamono olona ny alikaola" : aina 4 be izao no nafoy ny alin'ny alarobia 30 aprily lasa teo, noho ny fahamamoan'ny mpamily iray.
Olona 4 no maty tsy niala-nenina ny alin'ny alarobia 30 aprily, teny amin'ny By-pass, manoloana ny kianja Elgeco Plus. Fianakaviana iray ny 3 tamin'ireo, ka mpivady ny lehibe 2, samy 49 taona, ary zanak'izy ireo faravavy vao 12 taona ny iray.
Mpamily mamo no fototry ny loza
Nisy fiara nisongona nirimorimo mafy ka nifaoka ireo nifanena taminy. Ilay fiara voalohany nodominy no potika sady maty avokoa ireo olona tao anatiny. Araka ny loharanom-baovao, teratany vahiny nahenoana fofona alikaola ilay nitondra ny fiara.
Noho izany indrindra, nanao antso avo tamin'ny tambazotra sosialy ny anadahin'ilay niharan-doza, mba hamafisina ny fitsirihana ny tahan'ny alikaola ho an'ireo mpamily rehetra. Mety tsy ilay misotro mantsy no iharam-pahavoazana, toy izao tranga izao, fa ny hafa izay mitandrina tsara. Azo heverina fa hampihena ny lozam-pifamoivozana ny fanamafisana ny lalàna famaizana ho an'ireo mpamily fiara na kodiarandroa izay nandray alikaola nefa mamily ihany.
Ny alahady 4 may ho avy izao moa no hanatanterahana ny fandevenana an'izy 3 mianaka. Nijaly tokoa izy ireo tamin'ny nahafatesany satria sady vaky karandoha no tapatapaka, araka ny nambaran'ny fianakaviany. 2 lahy moa ny zaza kamboty navelan'izy mivady, anadahin'ilay zazavavikely nodimandry ihany koa.
Aleo misoroka
Toa tsy mahagaga intsony ny mahita ireo fiara sy kodiarandroa marobe mameno ny fiantsonan'ireo "Bar", "Karaoke" na "toeram-pirevena" isan-karazany. Rehefa faramparan'ny herinandro iny dia mitandrahatra mihitsy ireo fiara sy kodiarandroa eny By-Pass rehetra iny. Azo antoka nefa fa tsy "mijery fotsiny" ireo mpamily fa mandray anjara amin'ny fisotroana ihany koa. Toa "efa mahazatra" izany ny mandray familiana hatrany na nandray zava-pisotro mahamamo aza.
Amin'izao tranga mampalahelo izao indrindra no tokony hanaitra ny sain'ny rehetra, indrindra ireo mbola "sahy" sy "minia" mandray familiana hatrany na avy nisotrosotro aza. Tsara raha tsy mandray familiana mihitsy na dia labiera iray vera aza no nosotroina, fatra izay efa hitan'ny "alcotest" soa aman-tsara. Entanina ihany koa ny mpamily mba tsy hikiry hitondra fiara raha mahatsapa tsy fahatomombanana ara-pahasalamana : fanimpanina, manjavonjavona ny maso, marary vanin-taolana, misy manaikitra any amin'ny vavony na kibo, sns. Sady miaro ny ain'ny tena no mitsinjo ny ain'ny hafa ny fitandremana.