Andranovelona : Hetsika koltoraly ho an'ny Fiadanana Manerantany
Ho tanterahina eny amin'ny Monastère Xizu Andranovelona ny "Festival culturel de la Paix Mondiale", karakarain'ireo Sinoa Bouddhistes eto Madagasikara. Mifanindran-dalana amin'ny fankalazana ny nahaterahan'i Bouddha izany hetsika izany.
Anisan'ireo fety lehibe amin'ireo Bouddhiste ny "Vesak" na ny fahatsiarovana ny nahaterahan'i Bouddha, Siddhartha Gautama. Andro tsy iasana mihitsy io any amina firenena Asiatika maro : Chine, Thaïlande, Hong Kong, Indonésie, Corée du Sud, sns. Miovaova ny datin'ny fankalazana isan-taona. Amin'ny ankapobeny kosa andro diavolana amin'ny volana may no fanaovana ny fety.
Fankalazana ny andro nahaterahan'i Bouddha
Efa misy mpino manaraka ny finoana Bouddhiste eto Madagasikara. Mitarika izany ny eny amin'ny "Temple Xizu" Andranovelona, fiangonana Bouddhiste tokana eto amin'ny Nosy. Amin'ny alatsinainy 5 hatramin'ny alarobia 7 may ho avy izao no hankalazana ny nahaterahan'i Bouddha, sady hanaovana ny Hetsika koltoraly ho an'ny Fiadanana Manerantany.
Tsara ny manamarika fa any Lumbini, atsimon'i Népal, manakaiky an'i Inde, no voalaza fa nahaterahan'i Bouddha. Misy toerana fitokanam-bavak'ireo Bouddhiste mihitsy ao an-toerana, izay tafiditra ho Vakoka erantanin'ny UNESCO, nanomboka ny taona 1997.
Fanapariahana ny fiadanana manerantany
Ho antsika eto Madagasikara, miaraka amin'ny fankalazana ny andro nahaterahan'i Bouddha ny hetsika fanapariahana ny fiadanana manerantany. Koa satria sady fivavahana no foto-kevitra ny bouddhisme, tanjona goavana ny fandriampahalemana sy fahasambaran'ny rehetra.
Mandritra ny telo andro, feno dia feno ny fandaharam-potoana mba hahatsapan'ireo mpandray anjara rehetra fiadanana anaty, na ilay antsoina hoe "paix intérieure". Hahalala misimisy kokoa mikasika ny kolontsaina sinoa ireo mpanotrona rehetra, satria hisy ny fampisehoana mozika sy dihy, ny fampahafantarana mikasika ny poesia sy ny sary hosodoko, ny vela-kevitra arahina fifanakalozan-kevitra, ary ny fandefasana horonantsary. Tsy adino ny fihinanana sakafo sinoa isan-karazany tsy misy hena (plats végétariens), na mamy na masira.
Tsara ny manamarika fa hisy malagasy handray anjara amin'ireo fampisehoana ho tanterahina. Mazava ho azy, azo atao tsara ny mitsidika ny fiangonana Bouddhiste ao an-toerana, izay misy trano ambaratonga telo. Toy ny ireny any Chine ireny mihitsy moa ny eo anivon'ny Monastère Xizu Andranovelona. Tsy voatery mankany Chine intsony izany ny Malagasy raha te hahita ireo fotodrafitrasa sy hisitraka ireo zavakanto sinoa.