Toekarena manga : Isan’ireo firenena efa manana ny paikady nasionaly hampiroboroboana ny harena andranomasiny i Madagasikara
Notanterahina tany Maputo, any Mozambika, ny 28 ka hatramin’ny 30 aprily 2025 teo, ny fivorian’ireo mpisehatra amin’ny Toekarena Manga aty Afrika, izay notohanan’ny Vondrona Afrikanina. Fihaonana niavaka izy io satria nifantoka tamin’ny fanamafisana ny paikady sy ny fandrindrana iraisana hanatsarana ity sehatry ity. Izay manan-danja ho amin’ny fampivoarana ny faritanin’i Afrika.
Hampitoviana ireo paikady eto Afrika
Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ireo mpitarika mikasika ny toekarena manga avy amin’ireo firenena ao anatin’ny Vondrona Afrikanina sy solontena avy amin’ny firenena afrikanina. Anisan’ny adihevitra lehibe nivoitra ny filàna fananana Paikady Nasionaly mifanentana amin’ny Paikady Afrikanina mikasika ny Toekarena Manga, izay mbola vitsy amin’izao fotoana izao. Raha 55 no isan’ny firenena ao amin’ny Vondrona, dia 25 monja no efa manana paikady mazava, ka tafiditra ao i Madagasikara. Raha ny vina dia ny hampitoviana io paikady io mba hahafahan’ny firenena tsirairay misitraka araka ny tokony ho izy ny vokatry ny ranomasina sy ny ranomamy ao anatin’i Afrika. Tokony ho tafiditra ao anatin’izany paikady izany ny fiarovana ireo harena, ny fitantanana maharitra sy ny fahaizana mikolokolo azy ireny. Araka izany, andrasana ny paikady nasionalin’ireo firenena 30 ambiny.
Fivoarana hiombonana
Nandritra io fihaonana io ihany koa no napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny Groupe Africain de Référence sur l’Economie Bleue. Izy io dia rafitra natokana hanampy sy handrindra ny ezaka ataon’ireo firenena amin’ny fampivoarana maharitra ny Toekarena Manga. Tanjona ao anatin’izany mantsy dia ny mba hisian’ny tombony hiraisan’ny firenena tsirairay.
Nisongadina nandritra ny fivoriana ny fijerena manokana ireo asa maika laharam-pahamehana afaka hahazo famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Afrikanina. Anisan’izany ny fiompiana trondro amin’ny ati-rano, ny fampivelarana ny fizahan-tany manga, ary ny fanangonana antontan’isa sy tahirin-kevitra mifandraika amin’ny toe-karena manga, ho fototra iorenan’ny fanapahan-kevitra.
Ho an’i Madagasikara manokana, dia fotoana nanomezan-danja sy nanehoana amin’ny firenena afrikanina hafa ny zavatra efa vita io. Nandray anjara tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Toe-karena Manga, Andriamatoa Rakotosoa Rado, nisolo tena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga.