Tontolon’ny asa : Eo an-dalam-pandrafetana ny didim-panjakana momba ny fitsaboana eny amin’ny orinasa
Eo an-dalam-pandrafetana ny didim-panjakana manavao ny didim-panjakana laharana 2003-1162 momba ny fitsaboana eny amin’ny orinasa, ny ministeran’ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana. Io no isan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana, androany 1 mey 2025, andro Iraisam-pirenena ho an'ny Asa.
Fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa
Manana zo ny hahazo fiarovana sy horaisina an-tanana ara-pahasalamana ny mpiasa sy ny fianakaviany, ho antoky ny fahafahany mamokatra. Nankatoa ireo fifanarahana iraisam-pirenena rahateo i Madagasikara, izay mirona mankany amin’ny fampananana asa mendrika ny rehetra. Taorian’ny fankatoavana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa, tamin’ny taona 2019 sy 2023 ary, dia niroso tamin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa isika eto Madagasikara, mba hifanaraka amin’ireo fenitra vaovao ateraky ny fanatontoloana, mifantoka amin’ny fiovaovan’ny tontolon’ny asa ankehitriny eo amin’ny lafiny teknolojia, toetr’andro ary ny fivezivezen’ny olona izany lalàna izany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana.
Notsiahiviny fa efa manan-kery ankehitriny ny lalàna vaovao mifehy ny asa, laharana 2024-014, tamin'ny 14 aogositra 2024. Isan’ny fiovana goavana ao anatin’io ny momba ny soro-doza sy ny tandro-pahasalamana eo amin’ny asa. Mba hahafahana mampihatra io lalàna io dia efa nomena fiofanana ireo « inspecteurs du travail » sy « contrôleurs du Travail » manerana ny Nosy. Amin’ity volana mey ity ihany koa dia hahazo fiofanana momba ity lalàna vaovao ity ny solon-tenan’ireo sendikan’ny mpiasa, hoy ny minisitra. Mifampitohy amin’izany ny fanavaozana ny didim-panjakana 2003-1162 tamin’ny 17 desambra 2003, mahakasika ny fomba fiasa sy ny firafitry ny sampandraharaham-pahasalamana iombonan’ny orinasa, izay efa nialoavan’ny atrikasa fakan-kevitra isan-tsokajiny.
Fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy
Etsy an-daniny, nampahatsiahy ireo dingana vita teo amin’ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa ihany koa ny minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana. Isan’izany ny famolavolana sy fandaniana teo anivon’ny filan-kevitry ny governemanta, ny 12 desambra 2023, ny tondrozotra momba ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo mpiasa tena. Nisy ihany koa ny fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy, mba ahafahana mampiditra ireo mpiasa tena ho isan’ny mpisitraka ireo tolotra omen’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS). Ankoatra izay, nisy ny fampiakarana ny vola fisotron-dronono sitrahin’ireo mpikamban’ny CNaPS mihoatra ny 80 taona, sy ireo vady navelan’ny mpisitraka fisotroan-dronono.
Niarahaba sy nirary soa ireo mpiasa malagasy tsy an-kanavaka ihany koa moa ny minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana. « Ny fisian’ny mpiasa no fototra iorenan’ny sehatra iray, satria raha tsy misy ny mpiasam-panjakana, na raha tsy misy ny mpiasan’orinasa, dia tsy misy zavatra mihodina eto amin’ny tany sy ny firenena, ka mendrika anareo ny fankasitrahana », hoy ny nambarany.