• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Hongqi
Image
Vaovao

Fihaonambe SADC : Nahazo fiara raitra miisa 16 avy amin'i Chine i Madagasikara

01/05/2025 11:40 © Moov

Fiara raitra Hongqi H9 2.0T no natolotr'i Chine an'i Madagasikara, ho fanomanana ny fandraisana ny fihaonambe SADC faha-45, ho tanterahina eto an-toerana afaka volana vitsy.

Mitovy endrika amin'ny "Rolls Royce" ny Hongqi H9, berline na "limousine de luxe" novokarin'ny FAW Hongqi.245 km/h ny hafainganam-pandeha ambony indrindra, ary 7,26l/100 ny fandaniany solika. Raha ny vidiny no asiana resaka, 309 800 yuans (38 300 € / 45 500 $ US) hatramin'ny 539 800 yuans (66 700 € / 79 300 $ US) ny iray : izany hoe 194 tapitrisa ariary raha kely indrindra. Fiara raitra mendrika handraisana vahiny manan-kaja tokoa ireo fanomezana ireo.

Fiaraha-miasa

Mihamatotra sy mihatsara hatrany ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy Chine. Notaterin'ny filan-kevitry ny minisitra omaly 30 aprily mantsy fa misy fanomezana fiara 16 izay avy amin'ny fanjakana sinoa. Tsiahivina fa amin'ny volana aogositra no handraisana ny fihaonamben'ny SADC faha-45, ka hatokana hitaterana ireo olo-manan-kaja ireo fiara ireo.
Handefa teknisiana moa i Chine, hampiofana ny teknisiana malagasy ny amin'ny fikojana ireo fiara ireo. Amin'ny maha-fiara hiaka farany ireo fanomezana ireo, misy ny teknolojia sy toro maro mila fantarina.

Fitantanana ny SADC

Tany Zimbabwe moa nanatanterahana ny fihaonambe SADC faha-44, tamin'ny taona 2024. Ankehitriny, ny Dr. Emmerson Dambudzo Mnangagwa, filohan'i Zimbabwe, no mitantana ny SASDC. Tsiahivina fa herintaona ny fitantanana, izay hifarana amin'ny aogositra 2025. I Madagasikara, handray ny fihaonambe SADC faha-45, no handray ny fitantanana amin'ity taona ity. Ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina izany no ho filohan'ny SADC mandritra ny herintaona (2025-2026). Hitondra tombony lehibe ho an'i Madagasikara izany, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fahamoran'ny fitadiavana mpampiasa vola vahiny, avy amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny SADC.

Lire la suite

Articles Similaires