• Cours de change
  • 5046.41 AR
  • |
  • $4505.02 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mikosoka maso : tandremo fa mety hisy voka-dratsiny !

20/04/2025 20:14 © Moov

Fihetsika iray tsy tandrina fanaontsika ny mikosoka maso. Mety izany ho fahazarana fotsiny, mety ihany koa vokatry ny hidihidy eo amin’ny maso.

Satria moa tsy voaresaka matetika izy io dia heverintsika fa tsy tokony misy atahorana. Marihana nefa fa mety misy fiantraikany ratsy ny fikosehana maso matetika. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Ireo antony mahatonga antsika mikosoka maso

Ny maso dia voarakotra « film lacrymal » ahitana sosona 3 mifanaraka : « couche proétique », « couche aqueuse » ary ny « couche lipidique superficielle ». Ity farany no eo ivelany indrindra. Rehefa voaratra na simba izy io dia miteraka fahatsapana manindrotsindrona. Mba hampiverina azy amin’ny laoniny dia mikipikipy izy.
Indraindray nefa tsy ampy ny mikipikipy ka lasa mikosoka maso isika. Mampivoaka ranomaso sy manamando ny maso ny fanaovana izany ary mihatsara ny fahitana. Maro moa ireo anton-javatra mitarika antsika hikoso-maso :
-Ny « allergies oculaire » ;
-Ny « conjonctivite » na « blépharite » izay aretin’ny maso mampisy hidihidy ;
-Ny fahamainan’ny maso ;
-Ny havizanana izay mampihena ny fikipikipin’ny maso ary manakana ny fiverenan’ny « film lacrymal » amin’ny laoniny.

Ireo antony tsy tokony hikosehana ny maso

Ny fikosehana maso dia fihetsika iray mandeha ho azy ataontsika mba hampahazo aina ny maso. Marihana nefa fa araky ny voalazan’ireo mpitsabo maso dia mety misy vokadratsy ny fanaovana azy io matetika :
« Kératocône »
Ny fikosehana maso matetika dia mety mampanify sy mampiova endrika ny « cornée » na ny aretina atao hoe « kératocône ». Ity farany dia aretin’ny « cornée » tsy afaka arenina izay mety manimba ny fahitana. Anisan’ireo mety aterak’izany ny fahitana manjavozavo, lasa tsy mahita lavitra tsara, tsy mahazaka hazavana, faharovitan’ny « cornée », fahasahiranana mikipy…

Maso mivaramena

Rehefa kosehina matetika ny maso dia mety ho vaky ny lalandrà madinika ao anatin’ny maso ka mahatonga « hémorragie de la conjonctive ». Lasa mihamarefo ny maso ary lasa mivaramena. Mety miparitaka ao anatin’ireo « tissus » manonidina ny rà ka miteraka « cernes » eo ambanin’ny maso.

Manakiaka ny voamaso

Mety hampiditra zavatra ao anaty maso sy hanakiaka ny « cornée » ny fikosokosehana maso matetika. Raha sendra maratra izy io dia tsy azo kosehana intsony ny maso fa mety vao maika hanasaro-javatra ny fanaovana izany.

Idiran’ny bakteria

Ny fikosehana maso amin’ny tanana dia mety mitondra bakteria ao anaty maso ary mitarika « infections ». Na dia sasana matetika ary tanana dia mety mitondra bakteria ihany ny tanana noho izy ireo mikasikasika zavatra maro mandritra ny tontolo andro.

Lire la suite

Articles Similaires