Ampy hampidinana ny tosidrà avo ve ny fampihenan-tena ?
Mahakasika olona maro maneran-tany ny tosidrà avo na « hypertension artérielle ». Mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana ary mety mahafaty mihintsy izy io raha tsy voatsabo ara-dalàna. Maro ireo anton-javatra mampiakatra ny tosidrà ka anisan’ny voalohany amin’izany ny tavy. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : ampy hampidinana ny tosidrà avo ve ny fampihenan-tena ?
Ny fifandraisan’ny haben’ny vatana sy ny tosidrà
Efa voaporofo ara-tsiantifika fa ny hatavezana dia mampisy « pression » fanampiny eo amin’ny fo sy ny lalandrà. Mila miasa mafy kokoa ny fo handefasana ny rà manerana ireo lalandrà mety ho voaterin’ny fivangonan’ny « tissu adipeux ». Ankoatra izay, ny tavy be loatra dia mety manakorontana ny fiasan’ny vatana ka mahatonga ny fihinjiran’ny lalandrà sy ny « rétention de sodium », izay isan’ireo « mécanismes » lehibe mampiakatra ny tosidrà.
Fampihenan-tena, misy vokatsoa maro azo tsapain-tanana
Maro ireo vokam-pikarohana mampiseho fa ny fihenam-batana, eny na dia kely aza, dia mety misy fiantraikany lehibe eo amin’ny tosidrà. Heverina fa raha mihena 5 hatramin’ny 10% ny lanjany teo aloha ny vatana dia miteraka fidinan’ny « tension systolique » sy « diastolique » izany. Mety mampihena be ny « risques » hampisy fahasarotana ara-pahasalamana eo amin’ny fo sy ny lalandrà, toy ny AVC, « crises cardiaques » sy « insuffisance rénale » izany.
Tsy ampy hampidinana ny tosidrà ny fampihenan-tena
Marina fa miantoka betsaka ny fandanjalanjana ny tosidrà avo ny fampihenan-tena, nefa kosa tsy afaka mandeha irery izy io. Misy anton-javatra maro hafa mila heverina :
-Ny habetsaky ny lanja misy hesorina. Tsy voatery mitovy ny fiantraikan’ny fampihenam-batana eo amin’ny tosidrà avo amin’ny olona tsirairay. Misy olona sasana mahita fiovana be na dia kely ary ny lanja very. Ny sasany kosa mety mila mihena be vao misy vokany eo amin’ny tosidrà avo.
-Ny antony mahatonga ny tosidrà avo. Satria maro ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tosidrà dia mila tsy voatery ho ampy hampidina izany ny fampihenan-tena. Mety ho manaranaka na avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina izy io ka mila fitsaboana hafa mihintsy vao mety.
-Ny fahazarana amin’ny fiainana andavanandro. Mila mandaitra ny fampihenan-tena ary tazomina ny lanja mba tsy handanjalanjana ny tosidrà. Mifototra amin’ny fanatsarana ny fomba fiaina izany, toy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, fanaovana fanatanjahantena, famerana ny fisotroana toaka, fialana sigara…
-Ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamana. Mila fanaraha-maso avy amin’ny mpitsabo sy fandraisan-tanana sahaza izany ny tosidrà avo. Na dia hita fa nampidina ny tosidrà aza ny fampihenan-tena natao dia ilaina hatrany ny mizaha fahasalamana matetika mba ahafahana manara-maso ny fiakaran’ny tosidrà sy ny fanatsarana ny fitsaboana izany raha ilaina.