Sakafon'ny herinandro : Laoka sy lasary ho an’ny alatsinainy 21 hatramin'ny 27 aprily 2025
Tsy mora ny mitady laoka isan'andro. Izany indrindra no hanolorana kalandrien-tsakafo, mba ho mora kokoa na ny fiantsenana na ny fikarakarana.
Alatsinain'ny Paska : Mine sao tsotsotra + Kitonotono + salade verte
Heverina fa tena fihinanambe ny fety toy ny Paska ho an'ny rehetra. Rehefa alatsinain'ny Paska dia misy ireo mihinana izay ambin-tsakafon'ny alahady, saingy tsy vitsy kosa ireo manomana sakafo vaovao mihitsy.
Na hitsangatsangana na hiara-hifaly amin'ny fianakaviana ao an-trano fotsiny, ankafizin'ny rehetra ny Mine sao. Andrahoina ny spaghetti dia asiana saosy : endasina ny tongolo, karaoty, haricot vert. Azo asiana hena/ charcuterie/ atody sns. Mba hampiavaka ny tontolo andro, tsara raha mikarakara salade verte sy kitonotono (hen'omby/ hena kisoa/ akoho).
Talata : Ron’anana mifangaro sy hen’omby + Lasary Karoty
"Manadio kibo" no tena mety ho an'ny fahasalamana rehefa vita ny fety. Ny talata indray, somary "matsatsotsatso" ny sakafo atao. Ron'anana mifangaro no atao laoka, ka ampiarahana amin'ny hen'omby. Anana fitetika toy ny petsay no ampiasaina, ka asiana anamalaho kely. Azo soloina patsabe na angivy ny hen'omby raha tsy te hihinana sakafo somary matavy intsony.
Mba hampatsiro ny sakafo, tsara raha asiana lasary karoty. Kikisana madinika ny karoty (tsy andrahoina) ary asiana "sauce vinaigrette" fotsiny.
Alarobia : Totokena sy Courgette + Lasary Voatabia
Laoka mora karakaraina tokoa ny Courgette sy totokena, satria samy mora masaka sy omena tsiro ireo singa ireo. Tetehina ny Courgette ary ampangotrahina : vao miova loko dia esorina eo ambony fatana. Somary endasina ny totokena, sady asiana saosy (voatabia, tongolo, tongolo gasy, dipoavatra). Arotsaka fotsiny avy eo ny Courgette, ary asiana rano kely.
Lasary voatabia no karakaraina mba hatsiro tsara ny sakafo hanina ny atoandro. Tetehina madinika fotsiny ny voatabia sy ny tongolo (azo asiana tongolo maitso), ka asiana sira sy menaka.
Alakamisy : Akoho sy Champignon noir + Lasary Concombre sy Voatabia
"Poulet de chair" eto no ampiasaina mba tsy hadany fotoana ny fikarakarana sakafo. Atao masaka tsara ny akoho. Rehefa vita izany dia endasina ny tongolo sy ny champignon voatetika. Arotsaka avy eo ny akoho ary avela ho mendimendy tsara.
Lasary cocombre sy voatabia no karakaraina. Azo atao tetika "en dés" na "rondelles". Asiana sauce vinaigrette sy poivron mba hampatsiro azy tsara.
Zoma : Trondro gasy sy anandrano + Lasary laisoa
Ezahina miovaova hatrany sady atao maroloko ny sakafo mba ho salama tsara hatrany ny rehetra, na ankizy na olon-dehibe. Ny zoma indray, trondro gasy sy anandrano ny laoka. Ampangotrahina kely aloha ny trondro, ary afindra anaty lovia. Karakaraina avy eo ny anandrano saosy : Endasina ny tongolo, voatabia, tongolo gasy, sakamalaho ka arotsaka ny anana avy eo (tsy asiana rano). Rehefa masamasaka ny anana dia apetraka amin'izany ny trondro, ary avela hiketrika kely.
Lasary laisoa no anampina izany, mba tsy mora monamonaina mitelina ilay trondro matsiro. Azo atao tsara ny mikarakara ron'angivy mba tsy ho maina loatra ny vary.
Sabotsy : Voanjobory sy henakisoa + Lasary Karoty masaka
Koa satria mba misimisy fotoana kokoa rehefa sabotsy, afaka mahandro voamaina tsara. 'Ndao àry voanjobory maina sy henakisoa no atao laoka. Tsara raha samy andrahoina mitokana aloha ny voanjobory, ary toy izay ihany koa ny hena. Atao miteramenaka sady mendimendy tsara ny henakisoa vao arotsaka ny voanjobory efa masamasaka. Tsy azo atao masaka be loatra ny voanjobory maina satria lasa ny hodiny no sisa tavela.
Karoty voatetika manify mitsangana andrahoina kely no atao lasary. Ankoatran'ny Sauce vinaigrette, azo asiana voatabia, poivron sy zava-maitso ihany koa ny lasary.
Alahady : Jardinière de crudités + Crevette sauce coco
Miezaka mikarakara sakafo matsiro ny renim-pianakaviana na raim-pianakaviana rehefa alahady. Io andro io mantsy no tena mahatafavory ny ankohonana.
Tsy voatery hampiasa "pâtes" foana amin'ny "entrée". 'Ndao indray mba andramana àry ny "jardinière de crudités". Legioma manta na natao "cuisson à la vapeur" avokoa no ampiasaina. Ireto misy ohatra vitsivitsy azo isafidianana tsara, na samy atao daholo :
-Choux fleurs & Brocolis ampiarahana amin'ny charcuterie sy mayonnaise
-Cocombre & Voatabia & poivron ampiarahana amin'ny oeuf dur sy mais doux, ampiarahana amin'ny sauce fromage
-Salade verte & voatabia & zavokà & olives vertes/noires & nofon'akoho, ampiarahana amin'ny sauce vinaigrette sy mayonnaise
Ny "Crevette sauce coco" indray dia ampiasàna "lait de coco". Rehefa masaka ny crevette dia araraka ny sauce coco. Tsara kokoa ny tsirony raha asiana huile d’olive, tongolo sy persil kely. Azo asiana "curry" ihany koa raha tiana somary hasiaka kely.