• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Fréquence Médicale
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « hémophilie »

17/04/2025 09:48 © Moov.Mg

Marihana anio 17 avril 2025 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « hémophilie » ny amin’ity taona ity. Aretin’ny rà mbola vitsy mahafantatra nefa mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana lalina izy ity. Fa inona tokoa moa no atao hoe « hémophilie » ? Inona no mety mahatonga azy io ? Ahoana ny fisehony ? Inona no mety ho fiantraikany ?

Inona no atao hoe « hémophilie » ?

Ny « hémophilie » dia aretina « hémorragique » manaranaka tsy fahita firy izay miseho amin’ny tsy fivainganan’ny (coagulation) rà ara-dalàna. Mety miteraka fandehanan-drà be tampoka sy maharitra aorian’ny ratra na fandidiana moa izy io. Miankina amin’ny anton-javatra mahatonga ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fivainganana na fandrin’ny rà ny fahasarotan’ny « hémophilie ».
Misy karazany roa lehibe moa ny « hémophilie » :
-« Hémophilie A » izay fisehony mateti-pitranga. Izy io dia vokatry ny tsy fahampiana « facteur VIII » ny « coagulation » ;
-« Hémophilie B » vokatry ny tsy fahampiana « facteur IX » ny « coagulation ».
Mety misy ihany koa karazana « hémophilie » hafa, izay tena mahalana, mifandray amin’ny tsy fahampiana « facteurs de coagulation » hafa.
Amin’ny ankapobeny dia aretin’ny fototarazo mifindra avy any amin’ny ray aman-dreny mankany amin’ny zanaka ny « hémophilie ». Eo amin’ny 30% ny tranga dia mety ho avy amin’ny « mutation génétique spontanée » sy tsy manaranaka ihany koa nefa izy io.

Ahoana ny fisehon’ny « hémophilie » ?

Miankina betsaka amin’ny fahasarotana eo amin’ny tsy fahampiana « facteurs de coagulation » ny soritr’aretina na fisehon’ny « hémophilie ». Anisan’izany ny :
-Fisian’ny mangana matetika sy betsaka eo amin’ny vatana ;
-Fandehanan’ny rà ao anatin’ny hozatra sy ny vanin-taolana izay miteraka fanaintainana sy fivontosana ;
-Fandehanan’ny rà tampoka nefa tsy misy antony mazava ;
-Fandehanan’ny rà maharitra aorian’ny ratra, fanalana nify, vaksiny, fandidiana… ;
-Fisian’ny rà ao amin’ny pipy na kakà ;
-Tevi-doha matetika sy sarotra mijanona.
-Eo amin’ny zazakely vao teraka dia mety misy rà mandeha eo amin’ny loha.

Ireo mety ho fahasarotana ateraky ny « hémophilie »

-Raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna ny « hémophilie » dia mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana lalina, toy ny :
-Fahasimbana eo amin’ny vanin-taolana (arthropathie hémophilique) ;
-« Hémorragies internes », anisan’izany ny « hémorragies cérébrales », izay mety mahafaty ;
-Fiforonanana « inhibiteurs », karazana hery fiarovana, manasarotra ny fitsaboana amin’ny alalan’ny « facteur de coagulation » ;
-Fahasarotana eo amin’ny « transfusions de produits sanguins ».

Fitsaboana sy fandraisan-tanana

Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana afaka manasitrana tanteraka ny « hémophilie ». Misy kosa nefa ireo fitsaboana mandaitra hanampiana ireo olona tratran’izy io hiaina tsara miaraka amin’ilay aretina.

Lire la suite

Articles Similaires