Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 13 hatramin'ny 19 janoary 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 13 hatramin'ny alahady 19 janoary 2025
Vidin-tsolika # Nahitana fidinany 140 hatramin'ny 200 ariary
Nanomboka ny sabotsy 18 janoary lasa teo no nampiharina ny fanovana ny vidin-tsolika, ka fidinana no hita raha efa nanahy fiakarana ny maro. Ny "Essence Sans-plomb" dia 5 700 ariary/l raha 5 900 ariary/l teo aloha (200 ariary ny fidinany). Ny Gasoil indray dia lasa 4 760 ariary/l raha 4 900 ariary teo aloha (140 ariary ny fidinany). Tsy nisy fiovana kosa nefa ny vidin'ny solika fandrehitra (Pétrole) : 2 430 ariary/l. Tsara ny manamarika fa mitovy avokoa ny vidin'ny solika eny anivon'ireo Tobin-tsolika manerana ny Nosy.
Antananarivo Renivohitra # Ny kandidan'ny IRMAR no lany Ben'ny Tanàna
Ny zoma 17 janoary lasa teo no namoahan'ny Fitsarana misahana ny Ady amin'ny Fanjakana (Tribunal Administratif) ny voka-pifidianana ofisialy. Harilala Ramanantsoa, avy ao amin'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina, no lany Ben'tanànan'Antanananarivo Renivohitra, tamin'ny isam-bato 43,24 %. 5 taona moa, izany hoe hatramin'ny taona 2030, no fotoam-piasany. Miisa 55 kosa ny toerana ho an’ireo Mpikambana ho Filakevim-pitantanana sy Mpanolotsaina ny Tanàna sy kominaly ho an'ny tanànan'Antananarivo, ka 20 avy amin'ny Tiako i Madagasikara, 7 avy amin'ny Tia Tanindrazana, 3 avy amin'ny Mouvement Gasikara ary 1 avy avy amin'ny RTM sy ny Iarivo Mandroso.
Lapan'Iavoloha # Nitohy ny fiarahabana ny Filoham-pirenena mivady
Nitohy tamin'iny herinandro lasa iny ny fiarahabana ny Filoham-pirenena mivady, noho ny fahatratrarana ny taona vaovao 2025. Noraisin'izy ireo teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo goverinoram-paritra, ireo avy ao anivon'ny HCC sy ireo mpanakanto. Tonga nanatitra solombodiakoho ihany koa ny solotenan'ireo tanora mpandraharaha : nisy ireo mpisehatra amin'ny fanaovana asa tanana, tao ireo ao amin’ny fizahantany, ireo eo amin'ny sehatry ny varotra, ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanorenana sy fananganana taotrano, ny fitaterana, ny mpamokatra raokandro, sns. Anisan'ireo niarahaba ihany koa ny avy amin'ny fiangonana METM sy ny avy amin'ny Samaritan's Purse.
Maitso ahitra # Nanolotra vary ny fanjakana Japoney
Vary 2.411 taonina, mitentina 300 tapitrisa yen na 9,4 Miliara Ariary eo ho eo, no natolotry ny Ambasadaoron'i Japana ho an'i Madagasikara, ny 13 janoary lasa teo. Ho fanampiana ho an'ireo tokantrano marefo, misedra olana noho ny voka-dratsy hateraky ny fiakaran'ny vidim-bary eto an-toerana, no anton'izao fanampiana natolotry ny fitondrana Japoney izao.
Hamidin'ny fanjakana amin'ny vidiny mirary ireo vary ireo ary ho ampiasaina amin'ny tetikasa mitondra fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena eto Madagasikara kosa ny tombony azo, izay arotsaka ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana Malagasy.
Rivodoza Dikeledi # Nitondra orana manerana ny Nosy
Raha tsiahivina, rehefa avy nandalo tao amin'ny faritra Avaratra ny rivodoza Dikeledi dia mbola tsy niala lavitra an'i Madagasikara. Nidina nanakaiky ny faritra Atsimo-Andrefana izy. Tamin'iny herinandro lasa iny, mbola nitohy hatrany ny rotsak'orana, saika manerana ny Nosy, ka na ny teto Antananarivo aza dia nahazo ny anjarany. Betsaka kokoa kosa ny rotsak'orana tany Atsimo sy Atsimo Andrefana.
Heverina fa nitondra voka-tsoa teto amin'ny faritra afovoan-tany ny Rivodoza Dikeledi, noho ny fitondrany orana, na teo aza ireo faritra iva dibo-drano indray. Voafehin'ny BNGRC moa ny fandraisana an-tanana ireo traboina tany amin'ireo faritra nandalovan'ny rivodoza.
Rivodoza Dikeledi # Nanimba lalana sy tetezana maro
Ho an'ny Faritra SAVA, ao amin'ny lalam-pirenena RNS5A mampitohy an' Ambilobe# Vohemar, dia tapaka tanteraka ny fivilian-dalana na " passage à gué" eo Manambery, teboka halavirandalana PK 173+000. Nosokafana vonjimaika ho an'ny fiara latsaky ny 5 taonina ny tetezana Manambery mba hitohizan'ny fifamoivoizana.Ho an'ny Faritra DIANA indray, tao amin'ny RN6 mampitohy an'Antananarivo# Antsiranana, nisy ny fiakaran'ny rano teo amin'ny fivilian-dalana eo Ifasy, PK 537+329, sy eo Mahavavy, PK 568, ka niteraka fahatapahan'ny fifamoivoizana. Nisy ny vedety niampitana izay tsy andoavam-bola avy amin'ny BNGRC tao Mahavavy. Ho an'ny Faritra Analanjirofo, nisy fahasimbana ihany koa ny RNS5 mampitohy an'i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana.
Herisetra # Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny mpanakanto Dodol
Anisan'ny nahaliana olona maro tamin'ny Tambazotran-tserasera Facebook ny mikasika ny mpanakanto sady mpanao baolina teo aloha. Araka ny loharanom-baovao, nandritra ny 19 taona no nanolana ny zanany vavy ny tenany. Voalaza fa vao 14 taona io tovovavy io dia efa nanomboka ny fanararaotana ara-nofo taminy. "Nanambady" io rainy io mihitsy ilay tovovavy, ka nampiharany herisetra mafy kokoa rehefa tratrany niaraka tamina lehilahy hafa. Nisy moa ireo nijoro vavolombelona fa nisy zanany vavy hafa miisa 2 izay niharan'ny fanolanana ihany koa saingy tsy niara-nipetraka tamin-drainy intsony taty aoriana. Mitohy ny fanadihadihana, saingy hatreto aloha dia tazomina vonjimaika eny amin'ny Fonjan'i Tsiafahy i Dodol.
HCC # Noraisina ireo mpikambana avy amin'ny Antenimierampirenena
Notanterahina ny alakamisy faha-16 janoary lasa teo ny fametrahana sy fianianana nataon’ny mpikambana avy amin’ny Antenimierampirenena izay handrafitra ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice). Teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy no nanatanterahana izany.
Miisa 11 ny mpikambana anatin’ny Fitsarana Avo ka anatin’izany ny solombavambahoaka roa tompon-toerana sy solombavambahoaka roa mpisolo toerana. Ireto avy izy ireo: ANDRIANIRINA Narcis voafidy tao Mahabo,MAMINIRINA Jolce Emilien voafidy tao Manakara, RIVOTIANA Jean Bosco voafidy tao Lalangina, RABY SAVATSARAH Ain'Harimanga Gabrielle voafidy tao Farafangana.
Kolontsaina # Omen-danja manokana ny Fahaizamanao "Zafimaniry"
Tafiditra ao anatin'ny harembakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapaintanana (patrimoine culturel immatériel de l'humanité" ny Fahaizamanao "Zafimaniry". Noho izany indrindra dia manana adidy sy andraikitra amin'ny fikajiana azy isika. Anatin'izany indrindra no hanatanterahina ny tetikasa fampidirana anatin'ny fandaharam-pianarana ny momba ny harembakoka, vokatry ny famatsiam-bola avy amin'ny UNESCO ary iaraha-manatanteraka amin'ny vaomieram-pirenena malagasy ho an'ny UNESCO (ComNat). Haharitra herintaona moa ny tetikasa. Efa voasonia tamin'iny herinandro lasa iny moa ny fifanaraham-piaraha-miasa.
Tatitry ny taona 2024 # Sehatry ny jono sy ny Fihariana anaty rano
Nisongadina ary niroborobo ny sehatry ny jono sy ny Fihariana anaty rano tamin'iny taoa 2024 iny. Manodidina ny 43 088 ny isan’ireo nahazo tombontsoa manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara izay niompana tamin'ny fampiroboroboana ny asa manga tamin’alalan’ny fisitrahana ireo fampiofanana isan-karazany toy ny fiompiana trondro , ny fambolena lomotra, ny fiompiana janga, ny fanatavezana drakaka, fanodinana sy fitehirizam-bokatra sns….Eo amin’ny lafiny fanondranana indray kosa dia manodidina ny 26 541 Taonina ireo vokatra haza an-drano nahondran’i Madagasikara.Nitombo ihany koa ireo toerana naleha nanaovana fanentanana eny ifotony momba ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina (ICAM).
Bevoay # Fanamboarana ny tetezan'i Mangoky
Tsy ny tetikasa fanamboarana ny tetezan'i Mangoky no misakana ny rano eo Bevoay fa nohon’ny fisian’ireo torapasika be loatra na "ensablement", izay tranga mateti-piseho amin’io renirano io. Rehefa hita teny ifotony ny fototry ny olana dia nisy ny fangatahan’ny Lehiben’ny Disitrikan’i Morombe, tamin’ny orinasa CRCC, ny mba hanakisahana ny lalan’ny rano amin’ny renirano ho fitsinjovana ireo mponina sy mpamboly any an-toerana. Tsy tafiditra ao anatin’ny fifanarahana nataon’ny Fitondramp-panjakana amin’ny alalan’ny MTP sy ny orinasa CRCC anefa izany asa fanitarana lalan’ny rano izany. Hisy araka izany ny dinika sy fifampiresahana eo amin’ny roa tonta ho famahana ny olana.