Andro ratsy : Any amin’ny manodidina ny 3 195 Km atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny
Araka ny fampilazana efa nivoaka hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, dia tombanana hisy rivo-doza hiforona aty amin’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina amin’ity herinandro ity. Mihamahazo vahana hatrany izany fiforonana izany ary tombanana ho lasa rivo-doza amin’ny alakamisy 9 janoary 2025 izao.
Androany talata 7 janoary 2025, tamin’ny 9 ora maraina, dia tany amin’ny manodidina ny 3 195 Km atsinanan’i Antalaha no nisy ny foiben’ity andro ratsy vao miforona ity. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 20 ka hatramin’ny 25 Km/ora, araka ny nambaran’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto amintsika. Raha ny angom-baovao dia mihamahazo vahana miandalana ny rahom-baratra manodidina ity faritra andro ratsy ity, tato anatin’ny 24 ora farany. Raha ny singa azo avy amin’ny zanabolana sy ny mari-drefy voaray ny maraina teo, dia manodidina ny 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, ary mahatratra 55 Km/ora izany ao anaty oram-baratra.
« Forte Tempête Tropicale »
Raha ny vinavina hatrany dia any amin’ny alakamisy 9 janoary 2025 vao maraina be no mety hivadika ho rivo-doza, manana tanjaka « Forte Tempête Tropicale », ity andro ratsy ity. Vinavinaina hikisaka hiakandrefana ny lalany, ka mety hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ny sabotsy ho avy izao. Tombana savaranonando daholo ihany anefa izany, satria mbola vao eo an-dalam-piforonana ilay andro ratsy. Na izany aza, heverina sahady fa izy ity no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ny faran’ny herinandro. Araka izany, manentana manokana ny any amin’ny Faritra DIANA, SAVA ary Ambatosoa ny eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity tranga ity.
Tsiahivina fa « Dikeledi » no anarana homena izay rivo-doza miforona manaraka eo, anarana izay natolotr’i Afrika Atsimo.