Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 23 hatramin'ny 29 jona 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 23 hatramin'ny alahady 29 jona 2025.
CEPE 2025 # Nivaly ny fanadinana manerana ny Nosy
Nifarana ny alarobia 25 jona lasa teo ny famoahan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny voka-panadinana CEPE 2025. Ny tany Vangaindrano, Ifanadiana sy Ikongo no namoaka farany ny valim-panadinana. Tsara dia tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny.
Ho an'ny CISCO Mahajanga I, 89,91% ny taham-pahafahana. Raha oharina tamin'ny taona lasa, nihena ny isan'ireo mpianatra niatrika ny fanadinana, saingy nihatsara kosa ny vokatra. Mpianatra tao amin'ny sekoly Monfort Saint Gabriel moa no nahazo ny "moyenne" ambony indrindra. 19,50/20 ny salan'isa azon'ilay zazavavikely, izany hoe saika tsy nandiso mihitsy izy tamin'ny taranja rehetra.
Ny tany amin'ny faritra Itasy indray, 84,36% ny taham-pahafahana CEPE 2025. 19,60/20 ny naoty ambony indrindra, izay azona zazavavikely mpianatry ny Lycée FJKM Antanisoa Miarinarivo.
Fanapoizinana/ fahapoizinana ara-tsakafo # Olona 44 no namoy ny ainy
Tato anatin'ny roa herinandro, olona 41 be izao no nodimandry. Nahitana fanapoizinana moa teto Antananarivo (Ambohimalaza), ka mahafatesana olona 25, ary nisy kosa ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra (14 no maty), Mahajanga (3 no maty) ary Toliara (1 no maty).
Mikasika ilay tao Ambositra, 13 no isan'ny maty hatramin'ny sabotsy teo. Niampy iray izany omaly alahady 29 jona ka lasa 14 no maty. Nodimandry ilay zazavavy anabavin'ilay zazalahy natao kaominio voalohany ny alahady 22 jona lasa teo. Nodimandry avokoa izany izy efa-mianaka, dia izy mivady sy ny zanany mianadahy.
Manamafy ny fidinana ifotony amin'ny fanaraha-maso ireo entana amidy eny an-tsena ireo tompon'andraikitra isam-paritra. Entanina ireo mpamatsy sy mpaninjara ary mpivarotra rehetra mba hanaja ny daty farany fihinanana ny sakafo sy ny fomba fitehirizana. Singanina manokana ireo sakafo mila fampangatsiahana, toy ny "Charcuteries" sy ny "produits laitiers".
Fetim-pirenena # Afomangan'ny 25 jona teny amin'ny Lac Iarivo
Teny Ivato, Lac Iarivo, no nanatanterahana ny Afomanga goavambe teto Antananarivo, ny takarivan'ny 25 jona. Ny fampisehoana "jet d'eau" maroloko no nanombohana ny lanonana, taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena. Nanaraka izany ny Show Drone sy ny Afomanga.
An'aliny ireo mpanao arendrina tonga niara-nifety, sady nisy rahateo ny fitaterana maimaimpoana nampitohy an'i Tsarasaotra sy Ivato. Ireo "bus électrique" vaovao moa no nampiasaina nitaterana ny vahoaka. Nisy moa ny fandaminana manokana, ka tapaka ho an'ny fifamoivozana ny lalam-baovao, ny 25 jona, nanomboka tamin'ny 12 ora atoandro. Nikatona tanteraka ny lalana nihazo an'i Tsarasaotra sy Ivato.
Fetim-pirenena # Nandray anjara sy nanotrona ireo firenena vahiny maromaro
Maromaro ireo firenena nandefa solontena teto Madagasikara, mariky ny fiombonana tamin'ny fankalazana ny faha-65 nahazoan'i Madagasikara ny Fahaleovantena. Nanatrika ny matson'ny 26 jona teny Mahamasina moa ireo vahiny, ka misy avy any Frantsa, Egypta, Inde, Sénégal ary Comores.
Ny 25 jona lasa teo no nigadona teto Madagasikara ny Filohan’ny Antenimierampirenena ao Comores, Andriamatoa Moustadroine Abdou. Tonga nitsena azy teny amin’ny seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato ny Filohan’ny Antenimierampirenena malagasy, Andriamatoa Tokely Justin.
Ny fahatongavan’ity solotenam-panjakana kaomoriana ity dia vavolombelon’ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy i Comores. Manamarika ihany koa ny finiavana hanamafy orina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna amin’ny faritra ranomasimbe Indianina.
Fidiovana sy fahadiovana # Fanentanana teny anivon'ireo toeram-pisakafoanana
Nandritra ny fiomanana amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, nisy ny hetsika notanterahina ho fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nidina ifotony teny amin’ireo toerana mpivarotra sakafo masaka eto Antananarivo Renivohitra ny ekipan’ny Fampiroboroboana ny Fidiovana ao amin’ny MEAH, niaraka tamin’ireo ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Teny amin’ny Zaimaika, Esplanade Analakely, ary Petite Vitesse no nisafidianana ho toerana nanaovana hetsika.
Nampahafantarina sy namporisihina ny mpivarotra hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ny fanadiovana ny rano ampiasaina sy ny toerana fikarakarana sakafo. Notanterahina ny fanentanana momba ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony, alohan’ny hikarakarana sy hisakafoanana. Ankoatra izany dia nizara fitaovana ihany koa ny MEAH, noho fiaraha-miasa amin’ny UNICEF, dia fitaovana fanasana tanana sy Savony.
Ambohidratrimo # Iray tampo nanafika sady nandroba
Tokantrano iray eny Ambatobe Ambohidratrimo no nisy namaky. Lasa tamin'izany ny solosaina, ny finday ary ny vola mitentina 38 000 000 ariary (vola vidina fiara vao namidy). Somary nahagaga ny nahafantaran'ireo mpanao ratsy ny fisiana volabe tao amin'ilay tokantrano. Rehefa natao àry ny famotorana dia ny zandrin'ilay ramose tompon-trano no niantefan'ny ahiahin'ireo zandary. Tsy maintsy olona akaiky ihany mantsy matoa manana "informations" mipetrapetraka mikasika ny vola miditra sy ny zava-misy ao an-trano. Voamarina izany satria dia ilay tovolahy vao 17 taona no lohan'ny mpisorona tamin'ilay fikambana-jiolahy namaky trano. 8 lahy ireo mpanao asa ratsy, ka 17 hatramin'ny 26 taona izy ireo.
Teo am-pamakiana "Espace" iray moa no noraisim-potsiny ireo mpanafika. Efa fantatr'ireo zandary mialoha mantsy io "opération" nokasain'izy ireo io.
Antsirabe # Rongony natao tamin'ny gonin-tsaribao
Nahazo angom-baovao ny Kolonely Komandin'ny Vondron-tobim-pileovan'ny Zandarimaria Vakinankaratra fa misy entana mampiahiahy tonga tao amin'ny toby fiantsonana Antsirabe. Somary nahavariana mantsy ny hoe saribao no nalefa taxi-brousse avy any Manakara.
Nisy Cyclopousse naka ireo gony roa avy eo, ka efa narahin'ireo zandary. Nisy olona 4 niandry teny Andranovisy Atsinanantsena ireo entana ireo. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana saribao tokoa tao anaty gony, saingy nisy gony fotsy kelikely hafa tao anatiny. Rongony milanja 60 kilao teo ho eo araka izany no tratra tao anatin'ireo gony miisa 2. Voalaza moa fa "mpandray entana" fotsiny ireo olona tratra ireo, ka mbola mitohy ny fikarohana hahafantarana ny mpandefa ny entana sy ny mpamatsy izany. Dorana moa ireo rongony ireo, araka ny lalàna.