• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Taona vaovao : Mila fitoniana ny asa fampandrosoana, hoy ny Praiminisitra

07/01/2025 10:45 © Moov.Mg

Eto am-panombohana ity taona vaovao 2025 ity, sy eo am-piandrasana ny vokatra ôfisialy tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna, dia miantso fitoniana ireo mpitondra isan-tsokajiny eto Madagasikara. Isan’ny nisongadina izany, nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.

Taonan’ny filaminana

Tokony hapetraka ho “Taonan’ny Filaminana” ity taona 2025 ity, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny fanatanterahana ny fananganan-tsaina voalohany ho an’ity taona vaovao ity, teny amin’ny Primatiora, omaly 6 janoary 2025. Antony : samy manana andraikitra amin’ny fanatrarana ireo tanjona goavana, izay nambaran’ny filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny kabariny tamin’ny faran’ny taona, ny rehetra, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra. Ao anatin’izany ny fisitrahana araka ny tokony ho izy ny jiro, ny rano, ny fanamboaran-dalana, ny ezaka sy tetikasa rehetra hahatongavana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo. Ao anatin’ny fitoniana sy filaminana no ahafahana manatratra ny tanjona, hoy hatrany izy.
Araka izany, nanambara ny praiminisitra Ntsay Christian fa manameloka tanteraka ny fambolena ny kolontsain’ny herisetra sy fanakorontanana ny firenena. Ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny fihavanana sy ny fifampitsimbinana no ilaina, mba hahatanteraka ny vinam-pampandrosoana, hoy izy, ka izany no tokony ho tarigetra iombonana.

Soatoavina malagasy

Efa naneho hevitra miantso ny rehetra ho amin’izay fitoniana izay ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Volamiranty Donna Mara, manoloana ireo endrika fihantsiana sy fivoizana vaovao tsy marina, eo am-piandrasana ny valim-pifidianana Ben’ny Tanàna. Tsy soatoavina malagasy izany, araka ny nambarany, fa ny fihavanana sy fifankatiavana no kolontsaina malagasy. Araka izany, nanentana ny vahoaka rehetra izy amin’izao taona vao miantomboka izao, mba hitodika sy hiatrika ary hifantoka amin'ny fampandrosoana, ao anatin’ny fifanajana.
Marihina fa tokony hivoaka ny 19 janoary 2025, fara-fahatarany, ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna. Tombanana ho eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 31 janoary 2025, noho izany, ny fandraisan’ireo Ben’ny Tanàna vaovao ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires