Fihaonam-ben’ny IPS : Aoka hatsahatra ny doro tanety sy doro ala !
Nisesisesy tato ho ato ny trangana doro tanety sy doro ala, indrindra tany amin’ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Handray ny fihaonam-be iraisam-pirenin'ny International Primatological Society nefa isika amin’ity taona ity, izay tokony hanasongadinana ny natiora mampiavaka an’i Madagasikara.
Fihaonam-be manan-danja
Isaky ny roa taona no hanatanterahana ity fihaonam-be iraisam-pirenin'ny International Primatological Society (IPS) ity, ka i Madagasikara no hampiantrano ny andiany faha-30, ny 10 hatramin’ny 15 aogositra 2025. Fanindroany izao i Madagasikara izao no handray izany fihaonana manan-danja be izany, ka tamin'ny taona 1998 ny voalohany, dia ny fihaonam-be faha-17 izany.
Ireo manam-pahaizana maneran-tany, momba ny sokajina biby atao hoe : « primate », no hihaona eto amintsika mandritra io fotoana io. Tafiditra ao anatin’io sokajy io ny varika, izay biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ary ahiana ho lany tamingana ny ankamaroany. Tandindomin-doza hatrany anefa ireo biby ireo, satria ankoatra ny fanondranana an-tsokosoko, dia simba ihany koa ny ala, izay toeram-ponenany, noho ny doro ala sy ny doro tanety.
Vanim-potoanan’ny doro tanety
Manoloana izany indrindra dia naneho hevitra ny profesora Jonah Ratsimbazafy, izay sady filohan’ny GERP (Groupe d'étude et de Recherche sur les Primates de Madagascar) no filohan’ny IPS (International Primatological Society) ankehitriny. Voninahitra ho an’i Madagasikara, hoy izy, ny fandraisana ity fihaonam-be iraisam-pirenena ity, ka aoka mba tsy halatsaka izany voninahitry ny firenentsika izany. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny doro tanety eto amintsika ny fanatanterahana ny fihaonam-be amin’ny volana aogositra, ka sanatria, hoy ity manam-pahaizana momba ny varika ity, tsy ho « Madagasikara rakotra ala, fa Madagasikara rakotra afo » no ho hitan’ireo vahiny ho avy eto amintsika.
Na izany aza, nilaza ny Pr Jonah Ratsimbazafy, fa hiezaka ny haneho hatrany, fa rehefa manao zavatra ny Malagasy dia miavaka. Ity fihaonambe ity rahateo no mamarana ny taom-piasan’ity manam-pahaizana malagasy ity, amin’ny fitantanana ny IPS.