Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : Ahiana ho adina mpifankatia no niteraka ny fahamaizana
Adina olon-droa mpifankatia no ahiahiana ho niteraka ny fahamaizan’ny Cité Préfabriqué N (Cité Préfa N) ao amin’ny tranon’ny mpianatry ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Raha tsiahivina dia nisehoana fahamaizana nahery vaika tao an-toerana ny alin’ny sabotsy lasa teo, tokony tamin’ny 9 ora alina.
Mpifankatia nifamaly
Raha ny fitantaran’ireo mpianatra niharan-doza dia mpifankatia efa nifandrirarira teny an-tokotany no niteraka io loza io. « Nanomboka nifamaly sy nifanenjika teny an-tokotany ireo mpifankatia ireo. Nitohy tao an-trano izany rehefa avy eo ka nanomboka tamin’ny fandorana diplaoma. Rehefa avy eo dia nitohy tamin’ny fandorana ny kidoro éponge tao amin’ny efitranon’izy ireo ihany izany », hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Iny éponge iny no nitarika ny firehetana tsy voafehy intsony ka nahatonga ny fahamaizana nihitatra, tsy voafehy raha tsy roa ora mahery taty aoriana. Noraisin’ny mpitandro filaminana antanana moa ny fanadihadiana ireto mpifankatia ireto amin’izao fotoana izao.
Mpianatra 170 traboina, efitra 12 may
Goavana ny faharavana vokatr’izany loza izany. Araka ny tatitra, mpianatra miisa 170 no traboina, satria tranon’ny mpianatra rahateo no may. Ao anatin’izany dia efitra miisa 12 no may. Miisa 6 amin’ireo no tsy nisy azo noraisina hatramin’ny fitaovana rehetra tao anatiny ary ny 6 kosa dia voatery noravana mba hisorohana ny fihitaran’ny afo. Efa nisy kosa anefa ireo vahaolana fohy ezaka noraisin’ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Nentanina ireo mpianatra mipetraka ao amin’ny cité R+ mba handray ireo rava trano fonenana sasany. Efa hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanarenana ny zavatra simba, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Oniversite. Efa miandry ny fahatongavan’ny Minisitry ny fampianarana ambony ihany koa ireo niharam-boina sy ny Oniversite amin’ny fikarohana vahaolana maharitra ho an’ireo mpianatra.