• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Unfpa
Image
Vaovao

Ady amin’ny herisetra : Manana anjara toerana goavana ny fanabeazana

06/01/2025 16:11 © Moov.Mg

Na dia manana ny lalàna laharana 2019-008, miompana amin’ny fanasaziana herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy aza i Madagasikara, dia mbola manjaka eny anivon’ny fiarahamonina eny ny herisetra ary ny vehivavy no tena iharany.

Tsy mifidy saranga ny herisetra, fa mety samy hiharan’izany avokoa ny olona rehetra. Misongadina kokoa anefa izany eo amin’ireo olona tsy nahita fianarana firy. Araka ny tatitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF), nivoaka tamin’ny taona 2022, momba ny tsy fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara, dia misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny zanany, ny ambaratongam-pianarana nodiavin’ny reniny. Ho an’ireo ankizivavy niteraka talohan’ny faha-18 taonany, ohatra, dia ahiana kokoa ho tratran’ny herisetra sy ny vohoka aloha loatra ny zanany. Mba tsy hitohizan’izany amin’ny taranaka mifandimby, dia ny fampahaleovan-tena ny vehivavy ihany no vahaolana, hoy ny UNICEF. Tsy maintsy miainga amin’ny fanabeazana izany fiovana katsahina izany.

Ady amin’ny hevi-draikitra

Tsy ny vehivavy ihany anefa no mila fanabeazana, fa ny lehilahy ihany koa dia mila beazina sy entanina mba hiady amin’ireo hevi-draikitra manapoizina (masculinité toxique), izay mahatonga ny fieritreretana fa ny tena lehilahy dia tokony hanjakazaka amin’ny vehivavy. Ny 13%-n’ny lehilahy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona, ohatra, dia mihevitra fa azony atao ny mamono ny vadiny, raha mivoaka ny trano ilay vehivavy nefa tsy nampilaza mialoha. Ny 5% dia mihevitra fa azony atao ihany koa ny manao herisetra amin’ny vadiny, raha toa ka sendra nandoro sakafo ilay vehivavy. Antontan’isa navoakan’ny fanadihadiana MICS 2018 ireo.

Fomba iray nentina nanova ny toe-tsain’ny lehilahy tany amin’ny Faritra maro, ny fananganan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) ny vondron’ny lehilahy miady amin’ny herisetra (Groupes d’hommes sensibles au Genre) notohan’ny Fanjakan’i Norvège ary niarahana niasa tamin’ny ministeran’ny Mponina. Lehilahy an’arivony, mivondrona ao anatin’izany no voaentana ary miezaka mampiroborobo ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy eny anivon’ny fiarahamonina. Tanjona lehibe amin’izany ny hanafoanana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ary ny fampanambadiana ny ankizy, hatramin’ny taona 2030.

Lire la suite

Articles Similaires