Fitovian-jo : Mahazo tombontsoa i Madagasikara amin’ny fankatoavana ny Fifanarahan’i Maputo
Mbola ao anatin’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra (16 jours d’activisme) tanteraka isika amin’izao fotoana izao, izay fotoana hampahatsiahivana fa manana zo, izay tokony hajaina eo amin’ny lafim-piainana rehetra ny vehivavy. Isan’ny mamaritra sy miaro izany zon’ny vehivavy izany ny fifanarahan’i Maputo, izay nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny 28 febroary 2004.
Andininy iray no sakana
Ny Fifanarahan’i Maputo (Protocole de Maputo) dia fifanarahana iraisam-pirenena ho an'ny mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Ireo firenena nanao sonia izany dia niara-nanaiky ny hampanjaka ireo zon’ny vehivavy, voafaritra ao anatin’ny andininy miisa 32 voarakitr’ilay fifanarahana. Isan'izany ny zo ho amin’ny famongorana ireo herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny zo ara-pananahana, ny zo ho amin'ny fananan-tany sy ny fandovana, ny zo handray anjara amin’ny tontolo politika, sy ny maro hafa. Mba hahafahana tena mampihatra ny fifanarahana dia ilaina ny fankatoavana (ratification) ity Fifanarahan’i Maputo ity. 20 taona mahery aty aorian’ny nanaovana sonia anefa, mbola tsy niroso tamin’izany fankatoavana izany i Madagasikara.
Ny andininy faha-14(2)(c), izay miresaka momba ny zo ho amin’ny fahafahana mampitsahatra vohoka noho ny anton-javatra voafetra, toy ny vohoka vokatry ny herisetra, na vohoka mety hampidi-doza ny ain’ny reny, no heverin’ireo mpisehatra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, ho sakana amin’ny tsy fankatoavan’i Madagasikara ny Fifanarahan’i Maputo. Vokatr’izay anefa dia lasa adino ireo andininy hafa rehetra, izay miantoka ny fisitrahan’ny vehivavy ireo zony.
Antoky ny fampandrosoana
Araka ny fanazavan’ireo mpisehatra eo amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, ny Fifanarahan’i Maputo dia manome fiarovana feno ho an’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra. Ny fampiharana azy dia manampy tosika amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy, toy ny fanolanana, fampanambadiana aloha loatra, na fampanambadiana an-tery. Miantoka ny fisitrahan'ny lahy sy ny vavy zo mitovy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny asa, ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ihany koa ity fifanarahana ity. Ankoatra izay, mandrisika ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana, toy ny fitsaboana sy fiarovana ny reny, ny vehivavy bevohoka, ary ny ankizy ihany koa izy io.
Ny fitovian-jo dia miteraka fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Rehefa omena sehatra mitovy ny lehilahy ny vehivavy, dia mihatsara ny vokatra ara-toekarena, mitombo ny fahafahana mamorona asa, ary mihatsara ny fari-piainan’ny fianakaviana. Raha mametraka olana ilay andininy faha-14(2)(c) ao amin’ny Fifanarahan’i Maputo, dia azo atao ny mankatoa ny fifanarahana, saingy manisy fepetra (réserve), tahaka izay efa nataon’i Uganda sy Malawi, ohatra, izay nanana olana ihany koa amin’ny fanatanterahana ny andininy faha-14(2)(c). Ilaina, araka izany, ny fifampiresahana eo amin’ny ambaratongam-piarahamonina rehetra, mba hahatakarana ny tena votoatin’ity Fifanarahana ity.
Ny fankatoavana ny Protocole dia manaporofo fa i Madagasikara dia manaraka ny fenitra napetraky ny Vondrona Afrikanina ho fiarovana ny zon’ny vehivavy. Mampiseho finiavana ihany koa izany fa vonona i Madagasikara ny hampiditra ny firenena ao anatin’ny firaisan-kevitra afrikanina amin’ny fampiroboroboana ny zon’olombelona.