Boriborin-tany faha-5 : Nisitraka ny fandaharanasa Mifampitsimbina, ireo fianakaviana marefo
Taorian'ny Boriborintany voalohany sy faha-4 dia ireo mponina marefo monina ao amin'ny Boriborintany faha-5 indray no nisitraka ny fandaharanasa Mifampitsimbina, omaly, teny amin'ny Coliseum Analamahitsy, teo ambany fitarihan’ny filoha Andry Rajoelina.
Tohana faran’ny taona
Tokantrano marefo miisa 3.600 isa no notolorana vary iray gony sy kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro, teny Antsonjombe, omaly 5 desambra 2024, ho fanohanana azy ireo, amin'izao ankatoky ny fetin'ny Krismasy sy faran'ny taona izao. Tafiditra ao anatin'ilay fandaharanasa Mifampitsimbina izany, izay efa natomboka ny 4 desambra 2024. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan'ny filoha Andry Rajoelina, fa tsy misy te hankalaza ny Noely ao anaty alahelo, fa ao anaty hafaliana sy fanantenana. Araka izany, ity fandaharanasa ity dia fomba anehoana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ireo mila fanampiana. Raha tsiahivina dia efa nisy hany koa ny fizarana tahaka izao, notanterahina teny amin’ny ANS Ampefiloha, ka miisa 7 800 ireo tokantrano nisitraka izany, tao amin’ny Boriborintany voalohany sy faha-efatra.
Olom-pirenena mandray andrakitra
Nanararaotra ny fihaonana tamin’ireo mponin’ny Boriborintany faha-5 ny filoham-pirenena, ka nanentana ireo olom-pirenena mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna, amin’ny alarobia 11 desambra 2024 izao. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay izany, hoy izy, no sady fotoana iray handraisana anjara amin’ny fampandrosoana sy amin’ny fananganana fiarahamonina manana ny maha-izy azy.
Marihina fa olona miisa 18 000 eto Antananarivo Renivohitra no kendrena hisitraka ny fandaharanasa Mifampitsimbina. Mbola mitohy ihany koa ny tetikasa hafa toy ny Tsimbina sy ny Vatsy Tsinjo.