• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Antananarivo : Ahiahiana amin’ny andro ratsy ny atsasa-manilan’ny mponina eny amin’ny faritra avo

02/12/2024 16:35 © Moov

Efa nisy akony tamin’ny fiainan’ny mponina eny amin’ny faritra avo sahady ny orambe tao anatin’ny roa herinandro izay. Amin’izao fotoana izao dia manodidina 50% amin’ireo mponina eny amin’ny faritra avo eny no ahiahiana. Efa samy mandray andraikitra amin’ny fisorohana izany ny fokontany isan-tokony amin’izao fotoana izao.

Efa nisy ny olona noesorina tamin’ny tranony

Raha ho an’ny fokontany Manjakamiadana manokana dia azo lazaina ho ny 40% amin’ny mponina no ahiana amin’ny loza, raha ny fanazavan’ny Sefom-pokontany. « Amin’ny ankapobeny, dia ireo mponina mipetraka amin’ny tehezam-bohitra no tena ahiana amin’ity loza ity », hoy hatrany ny fanazavan’ny Sefom-pokontany Manjakamiadana, Razafimamonjy Léonie. Araka izany, mba ho fiomanana sahady amin’ny loza sady hampihenana ny fiantraikan’izany dia efa maro ireo olona noesorina tamin’ny tranony. « Tsy nanano sarotra ny nandresy lahatra azy ireo satria samy efa mahatsapa ny loza mitatao. Ireo mipetraka amin’ny trano efa tranainy moa ireo tena efa noesorina ireo », hoy hatrany ity Sefom-pokontany ity. Isan’ny loza atahorana ny fikahoan’ny riaka ny tany, ny fihotsahan’ny vato ary ny mety ho fianjeran’ny hazo. Raha tamin’ireny oram-be ireny dia efa nisy ny trano nidiran’ny rano saingy mbola voavonjy ihany izany. Ny fotoan’ny rivo-doza sy ny rano be kosa no tena hatahorana.

Faritra mena

Amin’izao fotoana izao dia efa faritra mena iny faritra ambony amin’Antananarivo iny. Ao anatin’izany i Manjakamiadana, Ambohipotsy sy iny Andafiavaratra iny. Ny BNGRC aza moa dia efa nametaka ny saina mena teny an-toerana. Ity farany izay entina manamarika fa mandindona ny loza amin’ireo toerana ireo ka tokony efa samy mailo avokoa. Isan’ny mahatonga azy ho faritra mena ny vato be eo ambonin’Ampahamarinana izay mety hietsika ka hianjera amin’ny fotoana rehetra. Eo ihany koa ny fihotsahan’ny tany any amin’ny ilany Ankadilalana iny. Etsy ankilany moa dia efa misy ihany koa ny toerana voaomana handraisana ireo izay mety ho traboina eto Antananarivo. Tsy mahasakana ny fitandremana sy ny fahamailoana anefa izany rehetra izany. Etsy andaniny dia tsy ny eny amin’ny toerana avo ihany no hatahorana fa eo ihany koa ny fiakaran’ny rano sy ny fananganana fotodrafitrasa vaventy mandeha amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires