• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Drafitra ara-tsosialy : FIA-MORA 2, naverina ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny SOMAPECHE

02/12/2024 11:35 © Moov

Hitohy ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga ho fampisitrahana trondro ny sarangan’olona. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny biraon’ny SOMAPECHE Mahajanga ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho amin’ny fanatanterahana ny drafitra ara-tsosialy “FIA-Mora” andiany faha-2. Ity tetikady ity izay mametraka ny vidina trondro manodidina ny 4 000 ariary isaky ny kilao.

Fifanaovan-tsonia faha-40

Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa faha-40 niarahana tamin’ny SOMAPECHE ity notanterahina ity. Izany hoe, miroborobo ny asa manodidina ny fampisitrahana hazan-drano ho an’ny Malagasy rehetra. Raha tsiahivina dia karazany maro ireo trondro tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ka afaka ho jifaina amin’ny vidiny 4 000 ariary. Izany hoe, 1000 ariary dia efa tokony hisitraka trondro fefa-kilao ny Malagasy ; ity farany izay mety mahampy fianakaviana iray misy zaza roa. Raha hampahatsiahivina mantsy ny tanjon’ity drafitra ara-tsosialy “FIA-Mora” ity dia ny hanamaivanana sy hanamorana ny fahazoan'ny tsirairay manjifa ny hazan-dranomasina amin’ny vidiny mirary. Ny orinasa SOMAPECHE sy le Poissonnier no ho amin’ny fiarahana manatanteraka ireo tanjona izay nofaritana ho fampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Fanjarian-tsakafo

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona ho amin’ny fanjarian-tsakafo ny fihinanana trondro. Manankarena proteinina izy ireto, izay manampy amin’ny fanamafisana ny taolana sy ny fanamafisana ny hery. Eo ihany koa ny vitamina D izay ilain’ny vatana hampitombo ny hery fiarovana. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa mba hampitomboana ny fanjifan’ny Malagasy trondro. Raha ho an’ny Malagasy mantsy dia mbola manodidina ny 5 kg isan-taona ny fanjifana trondro raha tokony ho 24kg isan-taona izany. Etsy andaniny dia manan-karena hazan-drano isika eto Madagasikara noho ny fananana sisin-tany mivelatra be. Manana tombony betsaka araka izany isika raha amin’ity fanjifana trondro ity. Vinan’ny Ministera ny hanova ny fomba fisakafoana ka hanao ny trondro ho sakafo afaka jifain’ny rehetra tsy ankanavaka.

Lire la suite

Articles Similaires