• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Efa ho vita avokoa ny lalana mankany Ambila Lemaitso sy Manambato

02/12/2024 08:59 © Moov

Toerana roa isan’ny akaiky indrindra an’Antananarivo ary mahasarika mpiala sasatra, indrindra rehefa tery ny fotoana i Ambila Lemaitso sy i Manambato. Nampikaikaika ireo mpampiasa lalana anefa ny faharatsian’ny lalana any an-toerana. Manoloana izany indrindra dia efa mandroso ny asa fanamboarana ireo lalan-tany. Tonga nitsidika ny asa ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore ka tamin’izany no nanamarihany fa hisy ho vita amin’ity volana ity ny asa.

Ambila Lemaitso : hisy fiovana amin’ity herinandro ity

Mitondra vokatra tsara amin’ny lafiny fizahan-tany sy ny ara-toekarena ny fahavitan’ity lalana ity, izay mirefy 13Km raha miala eo amin’ny sampanan’ny RN2. Amperinasa tanteraka ny orinasa miandraikitra ny fanamboarana amin’izao fotoana. Famatsiam-bolan’ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa « PIC 3 » moa no hanatanterahana ny asa. Mandroso ny asa ary efa misy fahatsarana ny lalana ankehitriny, na mbola hisy volana maromaro aza vao ho vita tanteraka. Nanome toromarika ny orinasa, mba hanamafy ny fomba fiasa, ny Minisitra tomponandraikitra nandritra ny fitsidihana nataony. « Hisosa tsara noho izany ny lalana afaka herinandro, hanatanterahan’ireo mpino Katolika avy ao amin’ny Diosezin’i Toamasina ny fisintahana masina any Andovoranto, ny faha 7 sy 8 Desambra ho avy izao », hoy hatrany ny Minisitra. Araka ny fantatra dia faritra be orana ny any Atsinanana, ka isan’ny asa maintsy hatao ny lakandrano mba hivarinan’ny ranon’orana. Misy ampahany amin’ny lalana no hatao rarivato na « pavé », misy hatao « macadam » ary ny ambiny kosa dia hatao amin’ny akora voafantina na « matériaux sélectionnés ».

Manambato : vita latsaky ny atsasakadiny

Nitsidika ny fanamboaran-dalana mankany Manambato ihany koa ny Minisitra. Efa tsara ny lalana mankany amin’izao fotoana satria vita latsaky ny antsasakadiny ny dia raha miala eo amin’ny sampanan’ny RN2. Azo hatao tsara ny manao fandaharam-potoana ho an’ny fetin’ny faran’ny taona any Manambato ho an’ireo maniry hiala sasatra sy hitsangatsangana, araka ny nambaran’ny Minisitra. Mandroso ny asa fanamboaran-dalana any Manambato ankehitriny, izay mirefy latsaky ny 7Km eo ho eo. Efa eo andalam-pahavitana ireo tetezana hazo izay tena nampijaly ny mpampiasa lalana nandritra ny taona maro. Ho vita mialohan’ny fetin’ny faran’ny taona izany, raha ny nolazain’ny Minisitra tomponandraikitra. Nahafaly ireo mpisehatra avokoa ireto fanamboaran-dalana ireto.

Lire la suite

Articles Similaires