• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Chef Simon
Image
Vaovao

Thanksgiving : Fety goavana indrindra ho an'ny Amerikana

28/11/2024 06:49 © Moov

Androany 28 novambra ny "Thanksgiving" ho an'ireo Amerikana manerantany. Fety iombonan'ny rehetra izy io, na inona finoany, na avy aiza fiaviany ao Etazonia.

Famaranana ny fiakaram-bokatra ny faraparan'ny volana novambra, satria miditra amin'ny vanim-potoan'ny ririnina amin'izay. Noho izany dia fisaorana amin'ny vokatra niakatra tsara no tena atao, ka izany no mahatonga ilay fihinanambe. Fotoana iray hihaonana amin'ny fianakaviana ihany koa izy io ao anatin'ny taona, ary tena maro ireo amerikana mamonjy ny fianakaviany na lavitra na akaiky amin'ity faran'ny herinandro ity.
Ny Thanksgiving moa dia ankalazaina isaky ny alakamisy farany amin'ny volana novambra isan-taona.

Tantaran'ny Thanksgiving

Nampiantrano "pèlerins" avy any Angleterre ny tao Etazonia, taona maro lasa izay. Noraisina tsara sady nampianarina namboly ireo vahiny ireo. Herintaona taty aoriana, niakatra ny vokatra voalohany ary tena nahafapo. Nisaotra ireo mpampiantrano ireo vahiny ka nanao sakafobe tamin'ny alalan'ireo vokatra. Niara-nisakafo avokoa izy ireo, ho mariky ny fiombonana. Notanana ho kolontsaina amerikana izany avy eo, ka mbola voatazona soa aman-tsara.
Misy tena mandeha lavitra ireo Amerikana, indrindra mamonjy ny toerana naha-lehibe azy. Samy manana ny fomba fahandrony mantsy, ka misy "recette familiale" izay tsy foy mihitsy ka tsy maintsy iverenana. Tamin'ny talata teo fotsiny zao, maherin'ny 2,7 tapitrisa ireo amerikana nandeha fiaramanidina, araka ny tatitry ny Transportation Security Administration. 80 tapitrisa eo ho eo ireo nisafidy ny hifindra toerana tamin'ity aona ity. Ireo tsy afaka mivezivezy noho ny antony samihafa dia ireo namana no tena asaina, ka izany no atao hoe "friendsgiving".

Sakafo be tsy lany laniana

Ny vorontsiloza no tsy maintsy eo ambony latabatra rehefa Thanksgiving. Vorona tena lehibe ny an'ireo any Etazonia fa tsy mitovy ny an'ny eto Madagasikara. Mety tsy antonona ireny laforo lehibe ireny akory ny iray ka mila fampiharana teknika isan-karazany ny fandrahoana azy. Misy saosy sy akora vitsivitsy ampiarahana amin'ny vorintsiloza mba hanomezana tsiro miavaka azy. Ny alarobia mialohan'ny Thanksgiving no manomboka mikarakara sakafo ny fianakaviana tsirairay.


Copyright Image : © Virginia Tech News

Samy manana ny "accompagnement" safidiany ny tsirairay, fa ny tena mahazatra dia ny vokatry ny tany ihany no tena ampiasaina. Marobe ireo Amerikana mikarakara ovy sy fromazy, na katsaka (solon'ny vary raha aty Madagasikara). Tsy adino ihany koa ny karazana "crudités" ka afangaro ao ny legioma sy ny voankazo. Tena ankafizin'ny Amerikana ohatra ny brocolis ampiarahana amin'ny paoma sy voaloboka maina. Ny "dessert" indray dia pudding na tarte vita amin'ny voatavo.
Misakafo hatrany izany no tena atao, na eo aza ireo fialamboly isan-karazany satria vory lanona ny mpianakavy. Izay sakafo tsy lany dia hanina mandritra ny faran'ny herinandro. Tsara ny manamarika fa efa misy ireo mpilatsaka an-tsitrapo manatitra sakafo ho an'ireo beantitra tsy misy mpiahy sy ireo sahirana.

Faran'ny herinandro lavabe

Koa satria fihinanambe ny alakamisy, tsy mazoto miasa firy ny Amerikana ny zoma. Maro rahateo ny mandeha lavitra mamonjy havana. Ny zoma aorian'ny Thanksgiving, black Friday, dia natao hakana aina sady hanararaotana hiantsenanana, ho fanomanana ny fetin'ny faran'ny taona. Lasa "événement commercial" manerantany io Black Friday io mba hanintonana mpanjifa maro amin'ny alalan'ny fampihenana ny vidin'entana.
Tsy manadino io kolontsain'ny Thanksgiving io mihitsy ny Amerikana na monina sy miasa amina firenena hafa aza. Maka "congé" izy ireo mba hikarakarana sakafo hiarahany mifety amin'ny fianakaviany sy ny namany.



Lire la suite

Articles Similaires