Herisetra mianjady amin'ny vehivavy : 140 isa isan’andro no namoy ny ainy tamin'ny 2023
Namoaka tatitra momba ny trangana herisetra nahazo ny vehivavy maneran-tany, tamin’ny taona 2023, ny Firenena Mikambana, tamin'ny alatsinainy lasa teo. Voalaza ao anatin’izany tatitra izany, fa 85.000 no isan’ireo vehivavy maty niharan’ny herisetra tamin’io taona io.
Vehivavy iray isaky ny folo minitra
Nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hamongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, izay ankalazaina isaky ny 25 novambra, no namoahan’ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny vehivavy (ONU Femme) ity tatitra farany momba ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy maneran-tany ity, niarahany nanatontosa tamin’ny Ofisin’ny Firenena Mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC). Nivoitra tao anatin’izany antontan-kevitra izany fa vehivavy na ankizivavy iray isaky ny folo minitra no maty noho ny vono nahazo azy, tamin’ny taona 2023. Ny 60% tamin’ireo dia novonoin’ny vadiny, na ny havany akaiky. Raha atotaly, dia ankizivavy na vehivavy 140 isan’andro no namoy ny ainy vokatry ny herisetra, tamin’ny taona 2023. « Féminicides en 2023 » no lohatenin’ity tatitra ity, izay manipika fa ny famonoana vehivavy (féminicide), izay endrika fara-tampony amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy, dia mbola zava-pitranga maneran-tany. « Mihoatra ny sisin-tany, mahakasika ny sarangan’olona rehetra ara-tsôsialy sy ny vondron-taona rehetra » izany, hoy ny tatitra.
Azo sorohina ny herisetra
Azo atao tsara anefa ny misoroka ny endrika herisetra rehetra, araka ity tatitry ny Firenena mikambana ity hatrany. Mba hahatanteraka izany dia « ilaina ny manana lalàna matanjaka, ny manana antontan’isa sy antontan-kevitra azo antoka kokoa, ny fisian’ny tamberinandraikitra manan-danja kokoa avy amin’ny governemanta, ny fametrahana kolontsaina tsy manaiky lembenana, sy ny fanokanana teti-bola betsaka kokoa ho an’ireo vondrona mpiaro ny zon’ny vehivavy sy ireo rafitra ara-panjakana mifandraika amin’izany », hoy ny nambaran-drtoa Sima Bahous, tale mpanatanteraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana miahy ny vehivavy.
Tsara ny mahalala fa aty Afrika no tena ambony ny tahan’ny famonoana vehivavy ho faty, satria nahatratra 21.700 ireo namoy ny ainy vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny, na ny olona akaiky azy, tamin'ny taona 2023. Niisa 18.500 izany tao Azia, 8.300 tao amin’ny kaontinanta amerikanina, 2.300 ho an’ny kaontinanta Eoropeanina, ary 300 isa tao Océanie.