VIH/Sida : Mitaky antontan’isa mangarahara sy azo trandrahana ny Réseau SDSR Madagascar
Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ireo olona hita fa mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara, taorian’ny fitiliana, tao anatin’ny taona mifandimby. Samy manana ny fomba fijeriny ihany koa anefa ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra samihafa, manoloana ny atontan’isa mivoaka. Ny hananana antontan’isa sy antontan-kevitra mangarahara no isan’ny adisisik’ireo firaisamonim-pirenena ankehitriny.
Antontan’isa tsy mitsaha-miakatra
Nanatanteraka atrikasa nandritra ny roa andro, ny 25 sy 26 novambra 2024 lasa teo, ny Réseau SDSR Madagascar, izay tambajotran’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana. Isan’ny nivoitra, tao anatin’ny famelabelaran-kevitra, ireo antontan’isa farany nivoaka, nandritra ny fihaonan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, tamin’ny volana ôktôbra lasa teo. Fantatra ary, fa mitaha any amin’ny 0,4% ny Malagasy mitondra ny otrikaretina VIH, hita taorian’ny fitiliana, izany hoe : miisa 19.407 izy ireo, ho an’ity taona 2024 ity. Fantatra kosa fa niisa 6.705 ireo olona nana valim-pitiliana miabo tamin’ny taona 2018 ; 9.277 tamin’ny taona 2021 ; ary 17.073 tamin’ny taona 2023.
Raha jerena amin’ireo, dia miakatra hatrany ny isan’ny olona fantatra fa mitondra ny VIH eto Madagasikara. Nanazava ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, nandritra ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin'ny ranomasimbe Indianina tamin’ny volana ôktôbra, fa vokatry ny ezaka manokana nataon’ny Fitondram-panjakana, nitadiavana ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimokaretina VIH, no nahatonga ny fiakaran’ny antontan’isa.
Fanabeazana ara-pananahana
Raha ny nambaran’ny ONU SIDA, dia tombanana ho 75 000 ny isan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH eto Madagasikara, saingy ny 20 000 amin’ireo ihany no nanao fitiliana sy manaraka fitsaboana. Araka izany, manao haitaky ny amin’ny tokony hisian’ny mangarahara momba ny antontan’isa mifandraika amin’ny VIH Sida ireo fiarahamonim-pirenena mivondrona ao anatin’ny Réseau SDSR Madagascar, araka ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra, Rajaobelimahefa Liliane. Ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fanentanana sy fisorohana, ny fahafahana mitrandraka sy mampiasa izany antontan’isa izany, ary ahafahana mandray fanapahan-kevitra voadinika ihany koa. Isan’ny voaresaka ihany koa, ny amin’ny tokony hamerenana indray ny fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly, izay isan’ny fomba hisorohana ny fifindran’ny otrikaretina VIH, eo amin’ireo tanora Malagasy.
Efa fanaon’ny Réseau SDSR Madagascar, isaky ny volana novambra, ny fihaonana tahaka izao, araka ny fanazavana. Miovaova ny lohahevitra dinihina mandritra izany, ka isan’ireny ny amin’ny tokony hankatoavan’i Madagasikara ny « Protocole de Maputo », izay fifanarahana manana tanjona ny hisitrahan’ny vehivavy ny zony, ary efa nosoniavina tamin'ny taona 2004, saingy mbola tsy navadika ho lalàna manan-kery eto amintsika hatramin’izao. Tamin’ity taona ity, kosa dia nosafidiana ny lohahevitra hoe : « Isika rehetra miaraka, andao hiady amin’ny VIH/Sida ».