• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Andrianarisoa J
Image
Vaovao

Fitsaboana : Manodidina ny 200 ireo mpisandoka ho « infirmiers » manerana ny Nosy

27/11/2024 15:51 © Moov

Vita tanteraka ny trano fifaneraseran’ny « infirmier » izay napetraka ao anatin’ny tokotanin’ny INSPC Mahamasina. Nandritra ny fandraisana izany indrindra no nanamafisana ny ady amin’ireo mpisandoka. Manodididna ny 200 izy ireo amin’izao fotoana izao raha ny tatitra. Isa nivoaka ho an’ny manerana ny Nosy izany.

Ampy ny « infirmier »

Saropady ny fandraisana an-tanana hataon’ireo tena infirmier ara-dalàna. Isan’ireo mitana andraikitra lehibe izy ireo amin’ny fitsaboana satria manatanteraka izay iraka hampanaovin’ireo mpitsabo lehibe. Araka izany, zava-dehibe ny fidirana amin’ny ara-dalàna mba hiarovana ny ain’ireo marary. Nanamafy ny Filohan’ny holafitra, Andrianarison John fa miisa 45 000 amin’izao fotoana izao ny « infirmier », ary ampy tsara izany isa izany ho an’ny Nosy. « Rehefa tianao ny asan’ny « infirmier » dia mila mianatra aloha ary miditra anatin’ny holafitra mba ho ara-dalàna. Telo taona ny fianarana momba izany », hoy hatrany ny fanazavany. Rehefa azo ny diplaoma dia mila manoratra anarana ao anatin’ny holafitra mba tsy ho sahirana. Nanamarika moa ny tenany fa eny amin’ireo oriansa lehibe manana mpitsabo no tena ahitana ny mpisandoka. Miteraka olana maro be izany ka izay no hanaovan’izy ireo antso avo mba hanarahana izany dingana rehetra izany.

Hidina hitsirika eny an-tsehatra

Amin’izao fotoana izao dia miisa 20 500 eo ho eo ihany no efa tena misoratra anatin’ny holafitra amin’ireo 45 000 ireo. Miantso ny « infirmier » rehetra ny holafitra amin’ny fisoratana anarana. « Hidina an-tsehatra izahay manomboka amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ho an’ireo izay tsy manara-dalàna », hoy ny tenany nanafatra. Ny fanirian’izy ireo dia ho tafiditra amin’ny ara-dalàna avokoa ireo ambiny hafa ireo amin’io taona vaovao io. Ao amin’io trano vao nahorina io avokoa ny fepetra sy ny rehetra tokony atao raha hiditra anatin’ity holafitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires