Ady amin’ny herisetra : Hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny Brigade Féminine de Proximité ny Association Fitia
Ho amin’ny fandriam-pahalemanan’ireo vehivavy izay efa niharan’ny herisetra raisina an-tanana ao amin’ny Brigade Féminine de Proximité, tonga nizara jiro mandeha amin’ny masoandro ho an’ireo vehivavy ireo ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, sady mpanorina ny Association Fitia. Tao amin’ny BFP Tsaralalana no nanatanterahana izany. Izay nentina indrindra nanamafisana ny fiarahamiasan’ny Association Fitia amin’ny BFP.
Miray tanjona
Mbola tafiditra ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra miaraka amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena hatrany ity hetsika notanterahina androany ity. Izany rahateo no antony nanatanterahana azy tao amin’ny biraon’ny BFP satria miray tanjona ny roa tonta. « Raha nanomboka nirotsoka an-tsehatra tamin’ny ady amin’ny herisetra, indrindra ny herisetra mianjady amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy (VBG) aho de ny BFP no isan’ny niara-niasa akaiky tamiko. Mifameno rahateo ny BFP sy ny Association Fitia ary ny tanjona dia iray ihany. Ao anatin’izany ny fisorohana ny herisetra, fanohanana ireo niharan’izany ary ny fitsinjovana ny mpiarabelona marefo », hoy ny Filohan’ity Fikambanana ity. Araka izany, naneho ny fahavononany ity farany ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny BFP. Tao anatin’ny 5 taona mantsy izay dia hita taratra mazava ny vokatry ny ny asa ataon’ny BFP manerana ny Nosy izay mandray antanana ny fitoriana sy ny fitarainana.
BFP miisa 9 efa miasa, 6 andalam-panamboarana
Amin’izao fotoana izao dia efa miasa avokoa ny biraon’ny BFP miisa 9. Etsy ankilany dia efa andalam-panamboarana kosa ny birao hafa miisa 6. Natao indrindra ireny mba hahafahana manamafy ny ady amin’ity herisetra ity. Marihina fa mandray andraikitra lehibe amin’ity ady ity ny BFP izay midina eny an-kianja ary miaro ny mponina eny an-dalana. Mandray fitorohana ihany koa sy mandray mivantana ireo iharan’ny herisetra. Raha 65 ny isan’ireo polisy vehivavy misehatra ao amin’ny BFP dia efa miisa 200 izy ireo manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.