Fahasalamana : Hitohy ny 30 novambra hatramin’ny 9 desambra izao indray ny fizarana lay misy odimoka
Hitohy amin’ny andiany faharoa indray ny fizarana lay misy odimoka manomboka ny 30 novambra hatramin’ny 9 desambra izao. Distrika miisa 31 indray no hisitraka izany. Mbola amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny Programa Nasionaly hiadiana amin’ny tazomoka (PNLP) hatrany izany. Mijanona ho maimaim-poana ny fizarana azy ho an’ny Malagasy rehetra.
Distrika miisa 31
Ankoatra ireo distrika miisa 74 efa nahazo ny anjarany tamin’ny fizarana andiany voalohany dia Distrika miisa 31 indray ny amin’ity manaraka ity. Tafiditra ao anatin’izany ny Distrika Antanifotsy, Antsirabe II, Arivonimamo, Miarinarivo, Ifanadiana, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano, Midongy Atsimo, Betroka, Vohemar, Vondrozo, Befotaka, Marolambo, Soalala, Ambato Boeny, Mitsinjo, Mahajanga II, Beroroha, Morombe, Amboasary, Ankazoabo Atsimo, Betioky Atsimo, Ampanihy Ouest, Benenitra, Beloha Androy, Tsihombe, Ambovombe Androy, Bekily, Taolagnaro ary i Manja. Raha ny fanazavana avy amin’ny PNLP dia noho ny fahatongavan’ny lay teto Madagasikara no nahatonga ny fizarana nozaraina roa. « Niandry ny fahatongavan’ny lay rehetra ary mbola vao nandefa izany isaky ny fokontany. Marihina anefa fa misy fokontany tena alavitra andriana ka nahatonga ny fahatarana », hoy ny mpitsabo, Hanitra Ranaivoarison Irène, mpanampy ara-teknika ao amin’ny PNLP. Marihina moa fa malagasy 26 tapitrisa no heverina hisitraka lay manerana ny Nosy.
Fametrahana paikady maharitra
Miisa 9 ireo distrika tsy nisitraka ity fizarana lay misy odimoka ity. Ao anatin’izany i Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Manjakandriana, Soavina, Antsirabe I, Faratsiho, Ambatolampy, ary Antsiranana I. Etsy andaniny, efa mametraka paikady hatrany ny PNLP hiadiana amin’ny tazomoka amin’ireo toerana ireo. « Tsy mitsahatra ny fanamafisana ny paikady amin’ity ady ity. Ao anatin’izany ny fanentanana sy ny fampianarana samihafa », hoy hatrany ny fanazavana. Tsara ny mampatsiahy fa mbola mahafaty olona maro ity aretina ity amin’izao. Izany no anton’ny fizarana izay miampy ny fanazarana ny olona hahatahiry ny lay. Raha ny fanazavana mantsy dia aorian’ny telo taona indray vao misy ny fizarana lay manaraka.