• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Atsinanana
Image
Vaovao

Foire Toam’Ketrika : Hotanterahina eo amin’ny Esplanade Miami ny andiany faha-dimy

26/11/2024 16:38 © Moov

Notanterahina tamin’ity androany ity ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety ny momba ny hetsika Foire Toam’Ketrika. Eo amin’ny Esplanade Miami indray no hanatanterahana ity andiany faha-5 ity ny 29 sy 30 novambra ary ny 1 desambra ho avy izao.

Trano heva maherin’ny 150

Hetsika ara-ekonomika goavana ho an’ny Faritra Atsinanana ity ho tanterahina ity. Miaraka manatanteraka izany ny Faritra Atsinanana sy ny La fabrique d'entreprise, ary ny Miaradia Event. Raha ny fanazavana tamin’ity anio ity dia efa vonona tanteraka ny Faritra sy ireo mpikarakara. Efa feno tanteraka ankehitriny ireo trano heva miisa 150 izay ampirantiana ny vokatra avy ao anatin'ny Faritra. Fotoana hanasongadinana ihany koa ny "made in" Atsinanana io fotoana lehibe io. Mbola hisy anefa ny mihoatra izany. Ao anatin’ny ho ampiratiana ny asa tanana, vokatra ara-teknolojia sy ireo hafa. Fantatra fa hisy ireo vahiny avy any Sina no ho avy hiatrika ity foire Toam’ketrika ity.

Orinasa vaovao

Toa ireo andiany efatra rehetra teo aloha dia hisy hatrany ny fiavahana isan-taona. Ao anatin’izany ny orinasa vaovao izay handray anjara amin’ity hetsika ity. Ny renivohitr’i Madagasikara ara-toekarena, Toamasina, isan’ny toerana mety indrindra amin’ireo fihaonana izay hanasongadinana ireo talenta eto an-toerana. Fotoana iray lehibe hahafahan’ireo mpandraharaha manaparitaka ny vokatra izay hananany. Tsy voatery ho an’ny faritra Atsinanana irery anefa izany fa afaka haparitaka manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fifaneraserana amin’ireo mpitsidika. Ao anatin’izany, ireto farany dia afaka hisitraka sy hanamora ny fanapriahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires