Fahasalamana : Hisy tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana eto Antananarivo hatramin’ny 3 desambra
Hanatanteraka ny hetsika tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manomboka androany hatramin’ny 3 desambra izao izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny « orange day » izay andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy vavy isaky ny 25 novambra izany. Araka izany, homena sehatra manokana ny vehivavy sy ny ankizy vavy mandritra ny hetsika.
Boriborintany 6 sy Distrikan’Avaradrano
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Afaka hisitraka izany avokoa ny mponina rehetra ato anatin’ny Kaominina, izany hoe ireo ao anatin’ny Boriborintany 6. Hanampy izany ihany koa ny ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Misy ny tetiandro manokana ho an’ny isaky ny toerana.
27 novambra : Toeram-pilalaovana baolina kitra eo Ambohimirary ny ao amin’ny Boriborintany faha-5
28 novambra : Toeram-pilalaovana baolina kitra eo Ankadikely ny ao amin’ny Distrikan’Avaradrano
29 novambra : Toeram-pilalaovana baolina kitra eo Antanimenabe ny ao amin’ny Boriborintany faha-3
30 novambra : Toeram-pilalaovana Basket Ambohimanarina ny ao amin’ny Boriborintany faha-6
2 desambra : Toeram-pilalaovana baolina kitra Malacam ny ao amin’ny Boriborintany voalohany
3 desambra : Toeram-pilalaovana baolina kitra ao amin’ny Sekoly Saint Ignace ny ao amin’ny Boriborintany faha-2
Fizaham-pahasalamana isan-karazany
Samy hisitraka ireo tolotra rehetra maimaim-poana avokoa ny isaky ny toerana. Ao anatin’izany ny fizahana fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza. Eo ihany koa ny fitsaboana ny aty vava sy nify, ny maso, ny tenda, ary ny sofina. Ao anatin’izany ihany koa ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny ary ny fanolorana torohevitra samihafa ary ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Eo ihany koa ny fitiliana VIH, diabeta ary ny tosidrà. « Ny vahoaka salama no afaka mihary ka izay no antony nanatanterahana ity hetsika ity. Ny mpitsabo indray no manatona ny marary », hoy ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, nandritra ny fanokafana. Marihina fa fizaham-pahasalamana maimaim-poana faha-28 ity tanterahina ity ary faha-3 amin’ity taona 2024 ity. Efa manodidina ny 80 000 ny nahazo tombontsoa tamin’ny tolotra toy izao.