Fotodrafitrasa : Efa vita ny 90% ny asa fanarenana ny fefiloha ao amin’ny Distrika Ambilobe
Mandroso ny asa fanarenana ny fefiloha (Digue) izay manondraka ny lemak’i Mahavavy. Raha ny hita nandritra ny fidinana tany an-toerana notanterahin’ny Minisitry ny fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, dia efa ny 90% ny asa no efa vita amin’izao. Efa an-dalam-panarenana izany ankehitriny ny fitondram-panjakana iarahana amin'ny Orinasa Colas.
Hiverina amin’ny famokarana teo aloha
Raha tsiahivina dia nisy fahasimbana ity fefiloha mirefy 150m ity noho ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Niteraka tondra-drano tany an-toerana izany ka nampihena ny famokarana hatramin’izao. Marihina anefa fa isan’ny toerana mahavokatra vary sy fary betsaka ny any Ambilobe. Araka izany, natao indrindra mba hamerenana amin’ny laoniny ny famokarana teo aloha ny fanarenana ity toerana ity. Betsaka ny tombontsoa ho azon'ireo Tantsaha amin'ny fanamboarana ity digue lehibe ity izay hiantoka ny fahafahana miaro ny renirano tsy hivarina any an-tanimbary sy any amin’ny tanim-pary mirefy 18 000 ha. Ny famokarana ireo vary sy fary ireo izay hiasan'ny ankamaroan'ireo tantsaha ary anisan'ny mamelona fianakaviana maro. Tena zava-dehibe indrindra ho an’ny Fitondram-panjakana ity asa tanterahina ity ka efa indroa tamin’ity fotoana ity ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana no nidina tany an-toerana nijery ny fandrosoan’ny asa.
Hampitomboina ny vokatra
Ankoatra ny fanarenana ny fotodrafitrasa dia nihaona tamin’ireo tantsaha mampiasa izany ihany koa ny Minisitra. Nifanakalo hevitra niaraka tamin'ireo fokonolona ny tenany mahakasika ny fanatsarana hatrany ny asa famokaran'izy ireo. Ny tanjon’izany rehetra izany dia ny hanatrarana ny vina izay napetraky ny fitondram-panjakana amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo ihany koa ny fampitomboana ny vokabary ary ny famokarana siramamy eto Madagasikara. Ireto roa farany ireto izay vina lehibe indrindra ho an’ny Madagasikara hahafahana mampihena araka izay tratra ny fanafarana. Ity asa ity, raha tsiahivina dia efa mandeha ihany koa amin’ny faritra hafa eto Madagasikara, toa an’i Alaotra Mangoro.