Fitaterana mikorisa an-tariby : Manaraka fiofanana ho matihanina ireo tompon’andraikitry ny vonjy aina
Miomana amin’ny fampiodinana ny fitaterana mikorisa an-tariby (Transport par câble TPC) ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Natomboka omaly ny fampiofanana ireo olona hatokana ho an’ny famonjena loza amin’ity fomba fitaterana ity. Haharitra andro 6 ny fampiofanana hahafehezan’izy ireo ny pitsopitsony rehetra.
Fiofanana ara-teôrika sy ara-teknika
Dingana iray lehibe ao anatin’ireo fenitra miisa 17 amin’ny fampiodinana ny TPC ny fananana ireto sampana mpiaro ny loza ireto. Raha ho an’Antananarivo dia ahitana ny mpamonjy voina avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny rafitra eo amin’ny tafika malagasy na ny Corps de protection civile ary ny Sampana G6 avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena izany. Ireo no hiara-hisalahy amin’ity asa lehibe ity. Amin’ny ankapobeny dia hampiofanina ara-teôrika ny momba momba ny « téléphérique » izy ireo. Hanampy izany ihany koa ireo tokony ho hay amin’ny farovana ny mpandeha sy ny loza mety hiseho. Hitohy ihany koa amin’ny fampiharana isan-karazany izany. Raha ny fanazavan’ny Minisitra dia efa hisy fampiharana ny rahampitso alarobia. Mpampiofana matihanina avy amin’ny orinasa lehibe POMA moa no hiandraikitra ny fampiofanana.
Vitaina amin’ny fiandohan’ny volana martsa 2025
Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny asa rehetra amin’ny fampandehanana ity fomba fitaterana vaovao eto Antananarivo ity. Efa vita avokoa amin’izao ny fananganana ny « pylône » raha namaranana izany ny teo anoloan’ny FJKM Analamahitsy. Efa eo am-pamaranana ihany koa ny Gare manoloana ny La City Ivandry ary miandry ny fahavitan’ny Gare eo Ankorondrano ihany koa sisa. Efa mandeha ihany koa anefa, etsy ankilany, ny fisintomana ny tariby eo amin’ny La City mandeha eny Analamahitsy. Ezahina ho vitaina amin’ny fiandohan’ny volana martsa 2025 any ny asa rehetra na dia mbola amin’ny volana septambra 2025 aza vao tapitra ny fifanarahana tamin’ny orinasa POMA. Tsara moa ny mampatsiahy fa efa vita tanteraka ny eo Anosy mampitohy an’ny Soarano.