• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Haharitra telo taona ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31

25/11/2024 12:31 © Moov

Tonga nitsidika ny fanombohana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31 ny Ministry ny asa vaventy, Rafidoson Richard Théodore ny faran’ny herinandro teo. Hanomboka tsy ho ela ny asa amin’ny lalana ary raha ny tatitra dia haharitra telo taona izany fanamboarana izany.

Lalana sy tetezana

Mampitohy an’Antsohihy amin’ny Bealanana ity lalam-pirenena faha-31 ity. Isan-karazany ireo asa tokony hotanterahina ao anatin’izany. Lalana mirefy 101,6 Km ny halavany ary 7 metatra ny sakany no asiam-panamboarana amin’izany. Hisy ihany koa ny asa fanarenana ireo tetezana miisa 34 ary "dalots " miisa 576. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa PCMCI izay vatsian'ny Banky Iraisampirenena vola izany. Ny orinasa « CCEED » kosa no manatanteraka azy. Ankoatra izany dia mamarana ny fananganana ny toby hitoerana na "base vie", ny " station de concassage", ny tobin'ny fetambato na " central à béton" sy ny "station d'enrobage", izay tena hiankinan'ny fanatanterahana ny asa, ny orinasa ankehitriny. Efa mandeha ihany koa ny asa fandravonana na " terrassement" izay endrika voalohany amin’ny fanamboarana. Tsy maintsy ho vitaina any amin’ny taona 2027 any araka izany ny asa rehetra.

Hamaha olana maro

Mbola ny ampahany voalohany ity natomboka amin’izao fotoana izao ity. Hampitohy an’ny Ankazobetsiahy amin’ny Bealanana aloha izany. Tsara ny manamarika fa tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina ny fanatanterahana ity asa ity. Nampitaraina mafy ny vahoaka tany an-toerana mantsy ny haratsian'ny lalana ka lasa nampiakatra ny vidim-piainana amin'ny andavanandro. Nanoloana izany dia nandray andraikitra ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, hanarina ny lalana. Horakofana tara tanteraka ity ampaha-dalana ity. Nitsena ny Minisitry ny Asa vaventy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompina, manantanteraka iraka any an-toerana, ny Goverinoran’ny Faritra Sofia sy ireo manampahefana maro ary ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Sofia.

Lire la suite

Articles Similaires