• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

"Groupe 105 MW" eny Ambohimanambola : Hanomboka ny 2 desambra ny fitaterana ireo fitaovana avy any Toamasina

22/11/2024 08:33 © Moov.Mg

Ny 2 desambra ho avy izao no hatomboka ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja mankadiry handrafetana ny "Groupe 105 MW", izay hapetraka ao Ambohimanambola Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon'ny Primatiora.

Hanafoanana ny delestazy

Raha tsiahivina, efa tamin'ny volana mey 2023 no nilazana fa hapetraka ao Ambohimanambola ity milina lehibe mpihary herinaratra ity, ho fanomezana tosika ny filàna herinaratra ao anatin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nihemotra hatrany anefa ny fotoana hanombohana ny fananganana ny fotodrafitrasa. Isan'ny fanazavana efa nentin’ny avy eo anivon'ny ministeran'ny angovo sy ny akoranafo, ny fahasarotan'ny fampiakarana ireo fitaovana miala avy any amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina mankaty Antananarivo, noho ny vesatr'izy ireo. Notondroin’ny filoha Andry Rajoelina kosa, nandritra ny fandaharana manokana natony tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana, ny 10 novambra 2024 lasa teo, ny fitavozavozan'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nanome toromarika izy, noho izany, ny amin'ny tokony hanafainganana ny asa, mba hampihenana na hanafoanana mihitsy ny delestazy, izay efa tsy zakan'ny mponina intsony.

Hamafisina ny RN2

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Toamasina indray ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly 21 novambra 2024, niaraka tamin'ireo minisitra voakasiky ny fanamborana ny fotodrafitrasa lehibe ao Ambohimanambola, dia ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny Minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nandray anjara tamin’izany fidinana ifotony izany ihany koa, ireo tompon'andraikitra sy teknisianina voakasik'io asa io, toy ny avy ao amin’ny JIRAMA, ny avy ao amin’ny Laboratoara Nasionalin'ny Asa Vaventy sy ny Tao# trano (LNTPB), ny avy ao amin’ny orinasa Trigu Energy izay hanatanteraka ny asa fametrahana ny milina eny Ambohimanambola, ny avy ao amin’ny orinasa Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena faharoa. Tapaka, nandritra izany, fa hatomboka amin’ny 2 desambra ho avy izao ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja mankadiry handrafetana ny milina lehibe 105 MW ao Ambohimanambola.
Taorian'ny fitsidihan'ny Praiminisitra ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia nandeha nanaraka ny ny lalam-pirenena faharoa izy, nijery ny asa maika tsy maintsy atao, toy ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13, hahafahana manatanteraka ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ity fotodrafitrasa goavana ity.

Lire la suite

Articles Similaires