• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Africa Defense Forum
Image
Vaovao

Famokarana anaty rano : Mampiditra 3 miliara eo ho eo isan-taona ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny jono madinika

18/11/2024 16:22 © Moov

Manankarena hazan-dranomasina i Madagasikara. Isan’ny fomba fitrandrahana io vokatra io ny jono madinika. Nandinika ny drafitrasa hampivoarana ity sehatra ity ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga miara-miasa amin’ny ECOFISH tamin’ity anio ity.

Mahatratra hatramin’ny 3 miliara isan-taona eo ho eo ao anatin’ny amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny jono madinika. Fikarohana ny fomba hampiakarana io vola io ny anton’ity atrikasa ity.

Drafitrasa vaovao ho an’ny jono madinika

Raha ny fanambarana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga dia mamelona olona hatramin’ny 1 500 000 ny jono madinika. Araka izany, isan’ny fepetra iray hahafahana mampitombo ny fari-piainan’ny Malagasy maro. Izany indrindra no ilàna ity drafitrasa vaovao ity.
Amin’ny ankapobeny dia 60 hatramin’ny 70% ny vokatra avy any anaty rano dia avy amin’ny jono madinika. Zava-dehibe araka izany ny fampivoarana azy ity mba hampitombo ny vola miditra ho an’ireo mpanjono sy ho an’ny harikarena faobe. « Mila vola hatramin’ny 82 tapitrisa ariary mahery ity drafitrasa ity. Ny ampahany no efa eo am-pelatanana », hoy hatrany ny fanazavana avy ao amin’ny Ministera. Marihana mantsy fa raha ny filàna ato anatiny fotsiny dia mbola mila hazan-drano 240 000 taonina amin’izao fotoana izao; ny haondrana mbola fanampin’izany.

Mila mamaha olana maromaro

Mbola misedra olana ihany ny jono madinika amin’izao fotoana izao. Araka izany, mbola ilaina ho vahana ao anatin’ny drafitrasa vaovao ny momba ny fifehezana ny sisin-tany. Marihina fa manana velaran-dranomasina hatramin’ny 5 603 km isika. Miteraka fihenan’ny vokatra eo amin’ireo mpanjono madinika sy ny mpanjono indostrialy ny tsy fahafehezana io sisintany io. Araka izany, ho voaray ao anatin’ity drafitrasa ity izany asa izany. Etsy andaniny ihany koa ny fahavitsian’ny mpanjono matihanina. « Hahafahana manampy ny mpanjono amin’ny fanondranana sy hahafahan tena mahita ny antontan’isa marina ny fampidirana ho matihanina ny mpanjono rehetra », hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany, natao hitondran fanovana eo amin’ny jono madinika ity drafitrasa ho ampiharina ity.

Lire la suite

Articles Similaires