Famatsiana amin’ny alalan’ny « drone » : Kojakoja ara-pahasalamana fototra 10.100 kg no efa voazara
Nampiova tanteraka ny fomba famatsiana fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana any amin’ireo Distrika sy kaominina saro-dalana eto Madagasikara ny fampiasana ny « drône ». Nitsidika ny AerialMetric, izay orinasa mpanamboatra ity fitaovana ity, ny lefitry ny Mpandrindra ny USAID Afrique, izay mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Mamonjy ireo toerana saro-dalana
Fivoarana lehibe no nentin’ny « drône » teo amin’ny sehatry ny fahasalamana, raha ho an’ny eto Madagasikara. Ohatra nomen’ny orisana AerialMetric : 85km no manelanelana ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ao Ambalabe amin’i Mahanoro. Natao dia an-tongotra mandritra ny 5 andro izany fahiny, rehefa hanatitra fanafody na kojakojam-pitsaboana any an-toerana, satria sarotra ny lalana. Ankehitriny anefa, ao anatin’ny 55 minitra monja dia voaatitry ny « drone », izay ilaina rehetra ho fandraisana an-tanana ny marary. Tsy misy olana intsony amin’ny famatsiana fitaovana sy fanafody ao anatin’ny hamehana.
Manan-danja ny teknôlôjia maoderina
Amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao dia nitsidika ny orinasa mpanamboatra “drone”, AerialMetric, rtoa Maria Price Detherage, lefitry ny Mpandrindra ny USAID Afrique. Hatramin'ny taona 2019, dia sidina maherin'ny 6.000 no efa vitan’ireo « drones » namboarin’ity orinasa ity, izay nandrakotra 550.000 km mivelatra amina Ditrika 21 isa sy Faritra miisa 5. Nahafahana namatsy kojakoja ara-pahasalamana fototra milanja 10.100 kg izany fitambaran’ny dia vita izany ; nahafahana nampisitraka vaksiny zaza sy ankizy miisa 913.000 ary nahavitana nizara vaksiny COVID-19 mihoatra ny 53.000 isa, ho an'ireo vondrom-piarahamonina nila izany. Nankasitra manokana ny tetikasa niarahan’ny USAID manatanteraka amin’ny AerialMetric, rtoa Maria Price Detherage, no sady nanamafy ny maha-manan-danja ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.