• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Cristalcom
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Manomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoa ho an’ny taona 2024

15/10/2024 15:05 © Moov

Nofaritan’ny andininy faha-75 ao amin’ny lalam-panorenana ny fanaovan’ireo Antenimiera roa tonta ny fivoriana ara-potoana indroa isan-taona. Tanterahina manomboka androany eny Tsimbazaza ny fivoriana faharoa ho an’ny Antenimierampirenena. Haharitra 60 andro indray izany izay handinihina ny momba ny sosialy sy fiainana ara-politikan’ny Firenena.

Fotoam-pifidianana

Mifanindra-dalana ao anatin’ny fotoam-pifidianana Ben’ny tanàna indray ity fivoriana ity. Tao anatin’izany, nandritra ny lanonam-panokafana dia niantso ny rehetra ho amin’ny fitoniana ny Filohan’ny Antenimierampirenena. « Manao antso avo hampanjakana ny fitoniana sy ny filaminana mba hampizotra izany antsakany sy andavany izahay ato amin’ny Antenimierampirenena. Hatao indrindra izany mba hampanjakana ny demokrasia izay antoky ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny Solombavambahoaka Tokely Justin, Filohan’ny Antenimierampirenena. Miantefa indrindra any amin’ny mpanao politika, ny mpisehatra ara-politika ary indrindra ny Malagasy rehetra io hafatra noentiny nandritra ny fanokafana ny fivoriana io.
Etsy andaniny anefa dia niresaka tamin’ireo Solombavambahoaka ihany koa ny tenany. Namafisin’ity Filoha ity ny tsy tokony hanaovana ambanin-javatra ny fivoriana na dia ao anatin’ny Fampielezan-kevitra aza. « Manainga ny fahaiza-mandanjalanja ny fotoana aho », hoy hatrany izy nanentana ireo mpiara-miasa taminy.

Fifandraisana iraisampirenena

Isan’ny nohamafisin’ity Filoha ity ihany koa ny adidy miandry ireto Solombavambahoaka ireto amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nabaribariny mantsy fa miha-misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara ka ilaina ny fiaraha-mientana ho fanatsarana hatrany izany. Ohatra noraisiny tamin’izany ny fampiantranoana farany teo ny « Assemblée Générale des Actionnaires Africains » teny amin’ny CCI Ivato. Eo ihany koa ny handraisana ny fivoriamben’ny Kaomisiaonin’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izay ho tanterahina any Nosy Be amin’ny 2025 sy ny fivoriamben’ny SADC ihany koa. Etsy ankilany dia handray fitantanana samihafa ihany koa ny Malagasy. Mariky ny fisokafana amin’ny sehatra iraisampirenena avokoa izany. « Hahafahana milaza izany fa hifanesy ny fampiantranoana ireo fihaonana antampony, mariky ny fahatokisan’ny firenena hafa an’ny Madagasikara. Hananantsika adidy ny mitondra fampivoarana sy fiaraha-mientana ao anatin’izany », hoy hatrany i Tokely Justin. Tamin’ity anio ity moa dia mbola fanokafana fotsiny ihany no notanterahina raha hanaraka eo ny fanapahana ny tetiandro rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires