• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gouverneur Analamanga
Image
Vaovao

Rafi-panjakana : Nahazo lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny ao amin’ny Distrikan’Avaradrano

15/10/2024 14:04 © Moov

Notokanan’ny Filoham-pirenena tamin’ity anio ity ny Lapan’ny Fitsarana vaovao ao amin’ny Distrikan’Avaradrano izay hita eny Talatan’ny Volon’ondry. Fitsarana manakaiky vahoaka, izany no isan’ny antony nananganana ity toerana ity. Olona miisa maherin’ny 563 000 no hisitraka izany toerana izany ao anatin’io Distrika io.

Kaominina 39 no hisitraka

Hampihena ka hanamora kokoa ny asan’ny Fitsarana etsy Anosy ny fisian’ity toerana vaovao ity. Ny eo Anosy izay misahana ny Distrika 7 eto Antananarivo sy ireo Distrika rehetra manodidina. Etsy andaniny, raha ny fanazavan’ny Minisitra ny fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis dia kaominina miisa 39 ao anatin’io Distrika io no hisitraka io trano. Ao anatin’izany ny Distrikan’Anjozorobe, Avaradrano ary Manjakandriana. Hampihena ny olona mila raharaha eny Anosy araka izany io satria hatramin’ny 563 000 ny olona ho raisina ao. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ao amin’ny sehatry ny Fitsarana izany, ao anatin’ny fampiroboroboana ny fisitrahana ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Isan’ny fanorenana entina hampanajana ny zon’olombelona izany. Sakana tokoa mantsy hatramin’izay ny tsy fahafahana manatona ny fitsarana noho ny halaviran-toerana sy ny antony maro samihafa.

Ravaina ny mpangalatra tany

Handray anjara lehibe amin’ny fandravana ny Tambazotra mpangalatra tany ihany koa ity Lapan’ny Fitsarana ity. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika ahitana olana matetika momba izany ny ao Avaradrano. Nanamafy araka izany ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateniny fa tsy maintsy ho fongorina io tambazotra io. Tanjona amin’izany ny hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ho an’ny mponina any an-toerana sy manerana ny Nosy ny Fitsarana. « Tsy maintsy hametraka paikady manokana isika handravana sy hamongorana ireo tambazotra ao anatin’ny fangalarana tany. Izay olona rehetra fantatra fa manana ny rariny dia mbola ho averintsika aminy ny tany », hoy ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Nanamafy ny tenany fa rahampitso ihany dia hapetraka izany. Rahampitso ihany koa dia ho apetraka amin’ny fomba Fitsarana ireo Lehiben’ny fitsarana sy ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha, ary ireo mpitsara hiasa ao an-toerana.

Manara-penitra

Lapan’ny Fitsarana faha-49 eto Madagasikara ity natsangana ity raha ny fanazavana. Ao anatin’izany dia tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Filoham-pirenena ny hanangana toerana manara-penitra izy ity. Tany mirefy 3 227 m2 no nananganana azy. Ahitana birao miisa 18 ny toerana. Efitrano fitsarana miisa, efitrano fandinihana ary efitrano fitehirizana taratasy miisa roa roa avy. Ahitana birao firaketan-draharaha iray sy toerana hahafahana mahazo torohay ara-pitsarana miisa 2 ao. Ankoatra izay anefa dia efa vonona ihany koa ireo fitaovana ho ampiasaina. Ao anatin’izany ny « imprimante miisa 20 » sy solosaina miisa 20 ihany koa. Ho an’ny fiarovana ny toerana ihany koa ny « caméra de surveillance miisa 32 ».

Lire la suite

Articles Similaires