• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Talen’ny CIM : « Efa madiva hifarana ny fanamboarana ny fitaovana famoahana permis biométrique »

15/10/2024 12:06 © Moov

Efa ho valo volana amin’ity volana oktobra ity izay no niato ny fizarana fahazoan-dalana hamily « biométrique » teo anivon’ny Centre Immatriculateur (CIM), saika nanerana ny Nosy. Nandritra ny fihaonan’ny Talen’ny CIM, Rakotonandrasana Velonjara tamin’ny mpanao gazety no nanambaran’ity farany fa efa ao anatin’ny famaranana ny fanamboarana ny fitaovana famoahana « fahazoan-dalana hamily biométrique » izy ireo amin’izao fotoana izao.

Ho vitaina anaty fotoana fohy

Efa ao anaty hamehana amin’izao fotoana izao ny filàna ireny fahazoan-dalana hamily ireny. Aman-jatony ankehitriny ireo olona miandry ny fotoana hahafahany mahazo izany. Araka izany, asa tokony ho maika izany fanamboarana fitaovana izany. Nanamafy ity Tale ao amin’ny CIM ity fa efa mizotra tsikelikely mankany amin’ny famitana izany fitaovana izany izy ireo. « Tokony ho vita afaka herinandro vitsivitsy eo sisa ireo fitaovana ho ampiasaina ireo. Ny eny amin’ny Alhambra Ankadimbahoaka efa vita ary toy izany koa ny etsy Anosy. Ny eo Ambohidahy sisa no efa mamaraparana ny fanamboarana izahay », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tale ity. Raha tsiahivina dia nisy fahasimbana ireo fitaovana famoahana ireo fahazoan-dalana hamily amin’ny endriny « biométrique » ireto ka nahatonga izany fiatoana naharitra izany. Hiverina afaka herinandro vitsivitsy izany raha ny fanambaran’ity tompon’andraikitra ity.

Fitaovana vaovao

Amin’izao fotoana izao raha tsiahivina dia mbola ny taratasy fahazoan-dalana vonjimaika aloha no hampiasain’ireo izay nahavita ny fanadinana sy ny dingana rehetra. Etsy andanin’izany dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa ry zareo ao amin’ny CIM, raha ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny fanolorana fitaovana vaovao ho azy ireo izay efa andalam-panatanterahana ihany koa izany, raha ny fanambarana hatrany. Hirariana, hanamora ny famoahana ny « permis biométrique » izany fitaovana rehetra izany. Hahazo ny anjarany ihany koa ireo toerana hafa hahafahana mahazo ireny fahazoan-dalana ireny toy ny any Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires