• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fifamoivoizana : Namoahana fandaminana vaovao ireo tsena eto Antananarivo

15/10/2024 10:25 © Moov

Ao anatin’ny ezaka ho fandaminana sy fanamorana ny fifamoivoizana eto an-tanàn-dehibe. Namoaka fandaminana vaovao momba ireo tsena lehibe isan-karazany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny tsenan’ny Soarano sy Andravoahangy. Tanjona amin’izany ny hanalefahana ny fitohanana lavareny eny amin’iny faritr’i Analakely, Behoririka, Andravoahangy sy Ambodivona iny. Miteraka fitohanana amin’ireo lalana mivoaka ny afovoan-tanàna ihany koa mantsy ireny.

Noesorina ny varotra amoron-dalana

Herinandro maromaro izay no efa nanatanterahana sy nampiharana ity fandaminana vaovao ity. Natomboka teny amin’ny tsenan’ny Behoririka izany ary nitohy teny Andravoahangy. Ny tetsy amin’ny Pochard Soarano kosa no nanohizana izany farany omaly. Raha ny fanapahan-kevitra voaray tamin’izany dia noesorina avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana sy tsy ara-dalàna manodidina ny tsenan’ny Pochard iny. Tsara mantsy ny manamarika fa anisan’ny singa iray miteraka fitohanana ny fahamaroan’izy ireny ka zary lasa tery ny lalan’ny fiara. Nanatanteraka ny fampiharana io fandaminana io ny avy eo anivon'ny fitaleavana misahana ny Fifamoivoizana sy ny fifamezivezena an-dRenivohitra, ny Polisy Monisipaly ary ny Polisim-pirenena Commissariat Central nanomboka omaly. Nanamafy izy ireo fa tsy maintsy handraisana fepetra manokana kosa ireo tsy manaraka ny fandaminana. Ankoatra izay moa dia efa napetraka ihany koa ireo fandaminana samihafa teo Behoririka tamin’ny namefena ny toerana hahafahan’izy ireo mivarotra. Teo ihany koa ny teny Andravoahangy izay nametrahana fotoana manokana no hahafahan’ireo mpivarotra manatanteraka ny asany.

Fahadiovana

Ankoatra io fandaminana ny fifamoivoizana io anefa dia nasiam-panavaozana ihany koa ny mikasika ny fahadiovana eny anivon’ny tsena. Nandraisana fepetra manokana ny teny Andravoahangy raha tsiahivina. Natokana ho an’ny tsenan’ny tantsaha ny maraina amin'ny 2 ora hatramin'ny 6 ora latsaka fahefany. Aorian’izany ora izany dia tokony hanadio ny toerana nivarotany izy ireo mialohan'ny ialany eny an-toerana. Tokony ho fitaratra rahateo izany fanapahan-kevitra izany. Vokatra azo raisina ao anatin’izany ny fahadiovana eny anivon’ny tsena rehetra. Azo tanterahina ohatra izany na eny Analakely, Anosy, Mahamasina, Behoririka sy ireo tsena samihafa manerana ny Tanànan’Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires