• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Hetsika « Coup d’arrêt » : Omby miisa 999 tafaverina sy vokatra maro hafa no azo tao Androy sy Anosy

15/10/2024 09:09 © Moov

Nitohy tany amin’ny faritra Androy sy Anosy indray ny fametrahana fandriampahalemana tanterahin’ny hery fiarovana sy ny filaminana. Omby miisa 999 no tafaverina tao anatin’izany ary vokatra maro hafa ihany koa. Nidina tany an-toerana moa ireo Minisitra misahana ny fandriampahalemana miisa 4 omaly alatsinainy hanamafy izany ady izany.

Vokatra azo tsapain-tanana

Vokatra azo tsapain-tanana no azo tany amin’ireo faritra ireo nandritra ireo fiasan’ireto hery fiarovana sy filaminana ireto. Tsara moa ny manamarika fa tena mbola mampikaikaika ny mponina any amin’ireo faritra any Atsimo ireo izany tsy fandriam-pahalemanana izany. Vokatry ny asa natao mikasika ny hetsika « coup d’arrêt » io dia omby miisa 999 no azo, ary haverina amin'ny tompony. Dahalo miisa 5 maty, olona 8 sy fitaovam-piadiana 3 no azo ary voly rongony 5 ha mahery no nokapaina sy nongotana. Nitohy tany Andriry nijery ny kizo fiafenan'ireo olon-dratsy ny dian'ireo Minisitra ary mitohy toy izany ihany koa ny fanapotehana ireo alan-drongony ao antampon'Andriry, Distrikan'i Betroka. Marihina fa nanamafy ny fanatanterahana ny paikadin'ny Fanjakana eo amin'ny politikan'ny fiarovana hisian'ny filaminana sy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy tany Atsimo no anton’io fidinana tany an-toerana io. Nanotrona azy ireo tamin'izany ny olomboafidy any an-toerana izay notarihin'i Préfet an’ny Taolagnaro.

Fiaraha-mientana

Amin’ny maha-toerana hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana mahery vaika dia miara-mientana ireo sampan-draharahan’ny fandriam-pahalemana rehetra. Araka izany, niaraka nidina tany an-toerana ny Minisitra efatra mpikambana eo anivon'ny Governemanta. Notarihin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Nirintsoa, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de police Rakotoarimanana Herilala ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitry ny Fibaikoana mpikambana ao amin'ny EMMONAT. Ankoatra izay moa dia nisy ihany koa ny fihaonan'ireo Minisitra tamin'ny tompon'andraikim-panjakana ifotony entina manatsara hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-misalahy. Ao anatin’ny fiaraha-mientana avokoa izany izay manana tanjona iray dia ny hametraka tanàna hanjakan’ny fandriam-pahalemana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires