• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : « Tsy ho zakantsika ny hiaina ao anaty nosy tsy manana ala honko intsony »

15/10/2024 07:49 © Moov.Mg

Nahitana fahasimbana betsaka ny ala honko eto Madagasikara, tao anatin’ny taona mifandimby. Teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2010 fotsiny, dia tombanana ho nihena 21% ny velaran’ny ala honko eto amintsika. Efa miezaka mamerina tsikelikely izany ny fikambanana isan-tsokajiny sy ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanarahana izay natao omaly, miaraka amin’i Sina.

Rohivoahary tsy maintsy arovana

Zava-maniry fahita amin’ny toerana mafana sy be rotsak’orana ny honko. Raha tsotsorina kosa, dia fitambaran’ny hazo maniry eny amin’ny sisin-dranomasina ny ala honko, izay manana faka mianjaka sy afaka miaina anaty ranomasina sy ranomamy. Manany-danja be ho an’ny tontolo iainana ny honko, satria afaka manampy amin’ny fiarovana ny fiantraikan’ireo loza voajnahary izy, noho izy miaro ny sisin-tany amin’ny riaka sy ny tondra-drano ; manadio ny rivotra sy ny rano izy ; mangeja kokoa ny entona karibaonina raha mitaha amin’ny ala an-tanety, fonenan’ny vorona sy ny ramanavy, fanatodizana sy fiveloman’ny hazan-dranomasina isan-karazany. Nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, omaly, teny Alarobia, fa tsy maintsy arovana ny ala honko, satria tsy ho zakantsika ny hiaina ao anaty nosy tsy manana ala honko intsony. Raha tsy misy intsony ny honko dia hitombo ny voka-dratsin’ireo rivo-doza. Tsy hisy intsony koa ny hazan-dranomasina, izay foto-piveloman’ireo mpanjono.

Fifanaraham-piaraha-miasa

Ao anatin’izay dingana fiarovana ny rohivoahary honko izay, dia nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa anankiroa, omaly 14 ôktôbra 2024, teo amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny IMC (International Mangrove Center) ary ny MCF (Mangrove Conservation Foundation) avy any Sina. Ny fifanarahana eo amin’ny IMC dia miompana indrindra amin’ny fanamafisana ny traikefa nasionaly amin’ny fiarovana ny ala honko. Hisy, noho izany, ireo teknisianina miisa 20, handeha hanamafy fahaizana any Sina, momba ny fikojakojana ny rohivoahary honko sy ny fambolena honko. Natsangana tany Shenzhen Sina moa ny IMC, taorian’ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, momba ny fanamafisana ny fiarovana sy fampiasana maharitra ny ala honko, nandritra ny fivoriambe an-tampony faha-14 (COP 14) mikasika ny Fifanarahana Ramsar tamin’ny taona 2022
Ny fifanarahana amin’ny MCF kosa dia ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra amin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fiarovana ny honko sy amin’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny ala honko sy ny faritra mando. Nanatanteraka ireo fifanaovan-tsonia ireo ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny lehibe mpanorina ny MCF, Ramatoa Sun Lili, ary ny tale jeneraly lefitry ny fitantanan-draharaha misahana ny fanajariana ny tanàna sy ny harena voajanahary ao Shenzhen, Andriamatoa Zhang Qian. Nanotrona izany fotoana izany kosa ny Ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Ji Ping.

Lire la suite

Articles Similaires