• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mndpt
Image
Vaovao

Minisitra Stéphanie Delmotte : « Tokony ho vita afaka volana vitsivitsy ny karinem-pokontany biométrique »

14/10/2024 16:42 © Moov

Miroso ny asa amin’ny fizarana manerana ny Nosy ny karinem-pokontany « biométrique ». Efa maro ireo dingana efa vita ary efa azo tsapain-tanana ny tombony tamin’ny fampiasana ireo efa vita. Araka izany, hitohy ny fanapariahana ity karine ity. Nanamarika ny Minisitra ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Stéphanie Delmotte, tamin’ity anio ity fa tokony ho vita afaka fotoana vitsivitsy ireo karine rehetra.

Dimy tapitrisa

Mbola manana filàna amin’ity karine ity miisa 5 tapitrisa ny Nosy iray manontolo. Efa miroso ny asa momba izany amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavan’ny Minisitra tamin’ity anio ity dia efa vita ny fanisana faobe isan-tokantrano manerana ny Nosy. « Ao anatin’ny fandikana ireny antontan-taratasy ireny izao ny Centre Digital eny Antanetibe. Efa mamaraparana ny fandikana izany izy ireo amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny tenany nanazava ny firosoan’ny asa. Amin’ny ankapobeny dia aorian’izany fandikana izany ny fanontany hatramin’ny farany ireo karine « biométrique » rehetra ilaina. Raha tsiahivina dia vinavinaina ny hanonta karinem-pokontany hatramin’ny 3 tapitrisa amin’ity taona 2024 ity, raha ny fanambarana tany amin’ny volana jolay tany ho any. « Tokony efa ho vita ireo karine rehetra afaka volana vitsivitsy », hoy kosa ny Minisitra. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fe-potoana voafaritra tamin’izany.

Hanamorana asa

Anisan’ny tanjon’ny fanjakana tamin’ny fanavaozana ity karinem-pokontany ity ny hanamorana ny fizarana ireo fanampiana. Hahafahan’ny Fanjakana mamantatra izany fa efa nahazo ny anjarany na tsia ny fianakaviana iray. Jerena amin’ny alalan’ny fitaovana informatika io mba hisian’ny fangaraharana, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny Ministera. Eo ihany koa anefa ny fanamorana ny fijerena ny momba momba ny olona iray. Raha ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny fianakaviana Malagasy rehetra tsy ankanavaka no hahazo izany karine izany. Raha tsiahivina dia efa maherin’ny 1 500 000 ny karinem-pokontany « biométrique » efa voazara amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Araka izany dia miroso tsikelikely amin’ny fanatrarana ny tanjona ny Firenena.

Lire la suite

Articles Similaires