• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Csi
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Mitana anjara toerana lehibe ny fampiasana ny nomerika na ny « digitalisation »

14/10/2024 15:56 © Moov

Ao anatin’ny fanomanana ny paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly ireo rafitra miady amin’ny kolikoly. Anisan’ny vinan’izy ireo ny hampiditra ny « digitalisation » ao anatin’izany paikady izany. Izany indrindra no anton’ny atrikasa arahina lohahevitra hiarahana amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) anio sy rahampitso. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny ady amin’ny kolikoly araka izany ity Ministera ity amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny « digitalisation » io.

Hanampy amin’ny endriny isan-karazany

Mbola azo lazaina ho taraiky i Madagasikara amin’ny fampiasana ny nomerika na ny « digitalisation ». Etsy andaniny anefa dia manana anjara toerana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fampiasana azy ity. « Ankoatra ny fanatsarana ny raharaham-panjakana dia fitaovana hahafahana miady amin’ny kolikoly ihany koa ny « digitalisation ». Mampihena ny fifanatonana mivantana izy ka mety hampihena ny kolikoly », hoy i Sahondra Rabenarivo, Talen’ny Comité pour la Sauvegarde de l'Intégrité (CSI). Afaka hiseho amin’ny endriny maro ny asany ao anatin’izany. Miantomboka any amin’ny fisorohana dia efa afaka hampiasaina ity fitaovana iray ity. Hahafahana mitoroka ihany koa, ireo antontan-kevitra ao anatiny dia efa anisan’ny azo ampiasaina ho porofo fa misy ny kolikoly amin’ny endriny samihafa. Hifampidinika araka izany ny rafitra miady amin’ny kolikoly sy ny MNDPT ny amin’ny hampidirana izany amin’ity drafitra vaovao ity.

Raharaha eny amin’ny rafi-panjakana

Mbola mitana anjara toerana lehibe amin’ny fisian’ny kolikoly hatrany ny rafi-panjakana amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra farany avy amin’ny CSI sy ny BIANCO. Nanamafy araka izany ny CSI fa anisan’ny hampihena izany eny amin’ireny toeram-panjakana ireny ny fampiasana ny « digitalisation ». Anisan’ny notanisaina tao anatin’izany ny fanamorana ny fanaovana hosoka ny taratsy ilaina eny amin’ny sampandraharam-panjakana samihafa. Manano sarotra mantsy matetika ny fikarohana azy ireny ka mampiroatra ny saina hanao kolikoly hanafainganana izany. Eo ihany koa ny fahasarotan’ny fahazoana ny antontan-kevitra ilain’ny mpila raharaha ka miteraka ny fisian’ny kolikoly. Izany rehetra izany no anisan’ny horesahina sy maha-zava-dehibe ny fampidirana ity « digitalisation » ity ao anatin’ilay drafitra vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires